Talata 28 Marsa 2023

(Hoy Andriamanitra :) Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24

Fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Salamo 50:12

 

Malala-tanana tsy araka ny niheverana azy

Tamin’ny lohataona 1875, Hudson Taylor, ilay mpanorina ny Misiona kristiana any Chine, dia nijoro teo amin’ny fiantsonan-dalamby tao Brighton, niandry ny lamasinina hiverenany any Londra. Nanatona azy ny printsy rosiana iray, ny andriandahy Bobrinsky. Nandre azy nitoriteny vao tsy ela izy io, ary nanoso-kevitra mba hiara-dia aminy.

— Ka any amin’ny sokajy fahatelo anie no misy ahy e, hoy ilay misionera.

— Ny tapakilako dia manome lalana ahy ho any koa, hoy ny navaliny.

Irery izy ireo tao amin’ny efitrakeliny, ary avy hatrany dia namoaka ny poketrany ilay andriandahy ary niteny hoe :

— Mamelà ahy mba hanome anao zavatra ho an’ny asanao any Chine.

Nony nanopy maso ilay taratasim-bola natolotra azy i Taylor, dia nihevitra fa nisy hadisoana : vola be mantsy no voasoratra teo.

— Nihevitra hanome ahy 5 livatra angamba ianao ? hoy izy ; aoka haveriko aminao ity taratasim-bola ity, satria 50 livatra no voasoratra eo.

— Tsy afaka handray an’iny intsony aho, hoy ilay mpanome, namaly, zendana toa an’i Taylor. 5 livatra tokoa no saika nomeko anao, nefa angamba ianao tian’Andriamanitra handray 50 ; ka tsy afaka handray an’iny intsony aho.

Lasa saina fatratra i Taylor noho io tranga io, ka nony tonga tany Londra, dia namantana tao amin’ny foiben’ny Misiona, izay nisy fotoam-bavaka indrindra, tamin’izay fotoana izay. Nisy vola tokony haloa any Chine, ary tsy ampy 49 livatra ny teo ampelatanana. Ireo nahafantatra ny toejava-nisy dia nahatsapa fa tokony hoentina am-bavaka manokana izany, ary teo am-pivavahana izy ireo, no tonga i Taylor ary nametraka ilay taratasim-bola 50 livatra teo ambony latabatra.