Alarobia 29 Marsa 2023
Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary, fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao. Isaia 1:5-6
Izaho no Jehovah, Izay mahasitrana anao. Eksodosy 15:26
Ny mpitsabo mizaha marary dia manomboka mandrakariva manontany sy mijery azy, alohan’ny hanomezany fanafody. Mitsapa faritra samihafa eo amin’ny vatana amin’ny tanany izy, ary tsy miteny firy ny marary, mandra-panindrin’ny rantsantanany eo amina faritra maharary. Amin’izay dia mampikiaka ny marary ny fanaintainana, hoe : „Aza tsindrina intsony, dokotera a, maharary ahy izany !”
Izany koa no mitranga rehefa kitihina ny fieritreretana. Raha mbola resahina amin’ny ankapobeny ny ratsy manjaka eto amin’izao tontolo izao, ny ilàna fivavahana, ny fisian’Andriamanitra, dia mandeha tsara ny zava-drehetra ; matetika dia miray hevitra daholo. Fa rehefa atsidika kosa ny ilàna ny fibebahana manokana, dia mahakasika faritra mora tohina izany, mampikiaka hoe : „Aza tsindrina !”
Tsy nisy teraka kristiana. Tsy rehefa atao batisa no manjary kristiana, fa rehefa mandray an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ho Mpamonjin’ny tena manokana, rehefa avy niaiky fa meloka eo anatrehany.
Io ilay faritra mora tohina : raha resahina anao ny ratsy sy ny tsy fahamarinana manjaka eto amin’izao tontolo izao, dia miombon-kevitra amin’izany tokoa ianao ; fa rehefa lazaina kosa hoe ianao koa dia mpanota, mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra, dia mitraotra ianao. Hentitra anefa ny Baiboly, manambara hoe : „Samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:23).
Inona no fanafodin’izany ? Mitodika amin’Andriamanitra. Izy dia mamela heloka izay mibebaka sy mino an’i Jesosy Kristy Mpamonjy sy Tompo.