Alakamisy 30 Marsa 2023
Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema ; fa… hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy, ka hivily ho amin’ny anganongano. 2 Timoty 4:3-4
(Hoy Jesosy :) Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy ? Jaona 8:46
Hatramin’ny niresahan’ny filoham-pirenena frantsay ny hoe „fake news”, dia niezaka ny olona sasantsasany, ary anisan’ireo aho, hahafantatra hoe inona marina moa izany.
Io teny anglisy hoe „fake news” io dia nantsoin’ny Vaomiera fampiroboroboana ny teny frantsay hoe „infox”, na „vaovao hamitahana”. Ny tanjon’ireny vaovao tsy marina ireny dia, na hanaovana vazivazy, na hanaovana fanahy iniana hampita vaovao mifono fanaratsiana na lainga, aely eran’ny haino aman-jery, mba hamitahana ny mpihaino.
Tena zava-baovao ve izany ? Tsia, i Tacite, mpahay tantara romana, dia nitantara fa ny amperora Néron, izay nahina ho nandoro ny tanànan’i Roma, dia niampanga ny kristiana ary nanomboka fanenjehana feno herisetra azy ireo.
Ohatra iray hafa ny „infox” momba an’i Jesosy sy momba an’Andriamanitra, izay aelin’i Satana, „ilay rain’ny lainga”, amin’ny olona, efa ho taonjato marobe izay. Anisan’ireny ireo lainga maneho an’i Jesosy ho mpitari-pivavahana (gourou) tsotra fotsiny, na ny sary-na „Andriamanitra bonaika” hijery ny asa soa ataontsika mba hanokafany ho antsika ny paradisany. Na koa ireo mandà ny fisian’Andriamanitra ary maneho ny fisian’ny olombelona ho vokatry ny kisendrasendra.
Ahoana no hahafantarana ny marina ? Amin’ny fitanana an’Andriamanitra amin’ny teniny. Ao amin’ny Baiboly, izay Teniny, Izy dia milaza amintsika fa maneho ny tenany amin’izay mitady Azy. Ndao hamaky ny Baiboly, hikatsaka an-kitsimpo hahafantatra ny marina, ka tsy hametraka hevitra mialoha. Ndao ho tia kokoa ny vaovao mahafaly ambaran’ny Filazantsara, toy izay ireo vaovao lainga tsy manao afa-tsy ny manakorontana antsika sy manaisotra ny fiadanana tsy ho ao an-tsaintsika.