Zoma 31 Marsa 2023

Izy (Jesosy) efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo (teo amina hazofijaliana). Asan’ny Apostoly 2:23

Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika. 2 Korintiana 5:21

 

Tsy nanan-tsiny, nefa nohomboana

Tamin’ny fotoana nitsarana an’i Jesosy sy nahafatesany, dia nisy olona enina nijoro ho vavolombelona fa tsy nanan-tsiny Izy :

— Jodasy : „Nanota aho, satria namadika ra marina” (Matio 27:4).

— Pilato : „Tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy” (Lioka 23:22).

— Ny vadin’i Pilato dia naniraka olona hilaza tamin’ny vadiny hoe : „Aza manao na inona na inona amin’izany Lehilahy marina izany” (Matio 27:19).

— Heroda dia nilaza hoe „tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity, amin’izay iampanganareo Azy”, ary nahatsapa fa „tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy” (Lioka 23:14-15).

— Ny iray tamin’ireo jiolahy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana dia nilaza hoe : „Ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety, na dia kely akory aza” (Lioka 23:41).

— Ilay kapiteny lehiben’ireo miaramila nanombo an’i Jesosy dia „nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe : Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io” (Lioka 23:47).

Araka izany, na dia tsy nanan-tsiny aza Jesosy, dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nahoana moa ? Nanilika Azy ny olona, satria nanelingelina azy ireo ny asany, ny teniny, ny maha Izy Azy. Tsy tiany intsony ny fisiany teo anivon’izy ireo, satria nampiharihary ny toetran’ny fony. Noresahin’i Jesosy an’izy ireo Andriamanitra, ny fahasoavana sy ny fahamarinana ; saingy voasoratra hoe : „Aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava” (Jaona 3:19).

Koa ny olombelona izany dia tompon’andraikitra tamin’ny fanamelohana ny Tompo. Na izany aza anefa, dia nisy antony iray hafa nanosika ny Tompo ho faty teo amin’ny hazofijaliana. Satria Izy no olona hany tsy nanan-tsiny, dia nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra, mba hitondra ny famaizana sahaza ny fahotantsika. Ny sorona nataony no nanamarinana antsika teo anatrehan’Andriamanitra, ka afaka mamela ny helotsika Andriamanitra. Eny, Jesosy no „Mpamonjy izao tontolo izao” (Jaona 4:42).