Asabotsy 1 Avrily 2023
Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, dia nanao hoe : Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 7:55-56
Fohy ny fisehoan’i Stefana ao amin’ny Baiboly, nefa mamiratra. Vao tononina ny anarany, dia aseho ho „lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina” izy. Izy dia „tsara laza” teo anivon’ny mpino. Rehefa tokony nanankina andraikitra lehibe tamin’olona tsara vitsivitsy ny fiangonana tao Jerosalema, dia voafidy i Stefana. „Feno fahasoavana sy hery” izy, ary Andriamanitra niasa amin-kery tamin’ny alalany.
Nifanehatra tamina fanoherana mafy izy, noho ny hafanam-pony, ary nampangaina teo anatrehan’ny fitsarana jiosy ho niteny ratsy an’Andriamanitra. Teo anefa dia talanjona ireo mpitsara noho ny famirapirany, ary nandinika azy izy ireo no „nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’anjely”. Nomeny fitenenana izy, nefa tsy tena nitady hiaro tena akory. Novaliany tsotra fotsiny ireo zavatra niampangana azy, ary notanisainy ny Testamenta Taloha, mba hanehoany ny fanambarana an’i Jesosy Kristy ao.
Avy eo dia nivantana kokoa i Stefana : nolazainy an’ireo mpitsara azy fa izy ireo no namono Ilay „Marina”, ka izy ireo izany no tsy nitana ny Lalàna. Koa nirehitra ny fankahalan’izy ireo, ka nihidy vazana izy ireo. Stefana kosa, fenon’ny Fanahy Masina, dia nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy any an-danitra. Nirohotra teo aminy ireo mpitsara, nanosika azy hivoaka an’i Jerosalema, ary nitora-bato azy. Niha nitovy bebe kokoa hatrany tamin’ny Tompony i Stefana. Hoy izy nivavaka : „Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko” ; avy eo izy dia nandohalika, ary mbola nangataka hoe : „Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao”. Toy ny niala moramora taminy ny ainy : „nodimandry” izy, hoy ny voasoratra.