Alahady 2 Avrily 2023
Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy, ho santatr’izay efa nodimandry. 1 Korintiana 15:20
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy. 1 Tesaloniana 4:14
Andinin-tSoratra Masina maromaro no maneho malefaka ny fahafatesan’ny mpino, milaza fa „nodimandry” izy ireo. Toy ny manambara izany fa toejavatra mandalo ihany ny fahafatesana, eo am-piandrasana ny fitsanganana ho velona indray.
Rehefa nahare Jesosy fa maty i Lazarosy sakaizany, dia hoy fotsiny Izy : „Matory Lazarosy sakaizantsika ; fa handeha hamoha azy Aho” (Jaona 11:11). Noheverin’ny mpianatra fa torimaso fialan-tsasatra ihany izany, nefa ny Tompo dia nilaza mazava fa maty izy.
Ity, fijoroana ho vavolombelona nataon’olona iray nahazo fampiononana toy izany :
„Ny raiko no olona tiako indrindra teto an-tany. Ray izy, tamin’ny hevitra manontolo fonosin’io teny io. Teo am-pofoany aho no natory, fony mbola zaza. Teo an-tsorony, rehefa tovovavy, no namborahako taminy ireo fahoriako, ireo alaheloko… Ary avy eo dia lasa izy… indray marainan’ny volana avrily, tao amin’ny famelomana aina tany amin’ny hôpitaly. Lasa izy, any anilan’Andriamanitra Rainy, Izay notompoiny nandritra ny fiainany manontolo ary tsy mba nivadihany mihitsy.
Ho ahy dia nirodana ny zavatra rehetra. Ahoana ny hiainako tsy misy azy ? Nampanginiko ela ny fangirifiriako. Ary indray andro dia nivoaka izany : niantso tany an-danitra aho, dia tonga ny fampiononana. Teo am-pilazana amin’Andriamanitra ny fahoriako aho, no namaky ny Asan’ny Apostoly 7:60, izay mitantara ny niafaran’i Stefana. „Nodimandry” izy, hoy ny teny ao amin’ny Baiboly.
Nanakoako mafy tato am-poko io teny io, ary reko indray ny feon’ilay mpitsabo mpanampy niantso avy tany ana hôpitaly, niteny hoe : „Nodimandry tam-piadanana i dadanao”. Niteny tamiko Andriamanitra ary nampahatsiahy ahy, tao amin’ny fitiavany, fa teo Izy tamin’io dingana tena sarotra ho an’ny olombelona io. Nirotsaka tato anatiko ny fiadanan’Andriamanitra…”