Alatsinainy 3 Avrily 2023

Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Ianao. Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Ny tenako tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Salamo 139:13-15

 

Ny zava-miafin’ny aina

Ny aina dia zava-miafina lalina sy mahaliana aoka izany, nahalasa eritreritra mpikaroka maro nandritra ireo taonjato nifandimby. Ny zaza tsirairay vao teraka dia efa manana toetra mampiavaka azy : tsy misy olombelona hafa mitovy aminy ! Misy fiovana tsy mampino, mitranga eo anelanelan’ny maha torontoronina azy sy ny fahaterahany : manomboka eo amin’ny fitsaihan’ny atodinaina, izay sela tokana, no iforonan’ny sela vaovao tsikelikely, an-tapitrisa tapitrisany, hamorona vatan’olombelona vaovao.

Io zaza io dia tsy vitan’ny hoe zavamananaina fotsiny, fa olombelona mihitsy. Tena sarobidy ny vatany, nefa koa nandray fanahy avy amin’Andriamanitra izy, izany hoe ilay singa tsy hita maso ao aminy. Zavaboary manana ny aina manontolo izy, ary tokana aman-tany. Ny fanahiny no manan-danja indrindra, satria tsy mety maty : „Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny fanahiny ?” hoy Jesosy (Matio 16:26).

Matoa miaina ankehitriny tsy manana an’Andriamanitra, dia te hitoetra mandrakizay lavitra Azy, mamery ny fanahiny. Mifanohitra amin’izany kosa, ny mino izay ambaran’Andriamanitra dia misafidy ny ho velona mandrakariva miaraka aminy, mba hahasambatra ny fanahiny.

Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hahafantatra Azy izy ireo sady hiaina am-pahasambarana mandrakizay eo anilany. Mbola zava-miafina ihany koa izany, izay tsy azon’iza na iza odian-tsy fantatra. „Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3).

Eny, lehibe Andriamanitra araka ny maha Mpahary Azy, ary lehibe araka ny maha Mpamonjy Azy !