Talata 4 Avrily 2023

Tamin’ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo ; … ny fanahiko tsy nety nampiononina. Salamo 77:2

Tsara Jehovah… amin’ny olona izay mitady Azy. Fitomaniana 3:25

 

Nilaozana ?

Teo i Antoine, nijoro teo anoloan’ny mpamatsy ara-panahy ao amin’ny fonja, nisy taratasy teny an-tanany.

— Te hahita anao farany aho, ry Sylvain.

— Fa inona no mahazo anao ? Tsy marary ve ianao ?

— Valo taona izao no nahatazanako ny lanitra teo amin’ny makarakara. Hatreto dia zakako ihany. Nieritreritra ahy izy, nanoratra ho ahy, niandry ahy. Ity ny taratasiny farany. Nilaozan’ny vadiko aho. Tsy misy dikany intsony ny fiainako.

Fantatr’i Sylvain io lehilahy io. Tsy manao vazivazy misarisary famonoan-tena tsy akory izy, mba hanamaivanana ny anjara saziny.

— Antoine a, tena manohina ahy lalina ny toerana misy anao. Heverinao ve fa nandao anao ny olona rehetra ? Tsia, tsy afaka handao anao Andriamanitra, anisan’ny voariny ianao. Tia anao Izy, araka izao maha ianao anao izao, mitady anao Izy. Te hihaona aminao Izy. Mino aho fa tonga ny fotoana hitodihanao aminy. Hivavaka ho anao aho, saingy henoy aho : vakio ity Filazantsara ity.

Roa andro tatỳ aoriana, alahady maraina tamin’izay, dia tao amin’ny efitrano fivavahana nitorian’i Sylvain ny Filazantsara i Antoine. Miramirana ny endriny. Tonga nihaona tamin’i Antoine Andriamanitra, Antoine izay namoy fo, tao anaty fanginan’ny efitranokeliny. Nanome azy mihoatra noho ny fahafahana nandrandrainy Izy, dia ny fiadanan’Andriamanitra tao anatin’ny fanahiny.