Alarobia 5 Avrily 2023
Hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samihafa. Matio 24:7
Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ? Fitomaniana 3:37
Ny Tompo… mahari-po aminareo… ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. 2 Petera 3:9
Avrily 2020. Ny fikorontanan’izao tontolo izao izay natrehintsika dia avy amina tsimokaretina bitika kely, nefa niteraka faharavana eo amin’ny fahasalamana sy ny toekarena, mihoatra lavitra noho ny tafika matanjaka iray.
Tsy ampifandraisintsika mivantana amina faminanian’ny Baiboly izany ; nefa iza no handà fa Ilay Mpahary no mifehy toejavatra toy izany, tonga avy amina zavatra bitika, izay tsy haina hery na fahefan’olombelona fehezina ? Efa talohan’ny safodrano no „simba ny tany, teo anatrehan’Andriamanitra, sady heni-doza” (Genesisy 6:11). Nalahelo Andriamanitra noho izany, ka tsy maintsy niteny tamin’ny olombelona tamin’ny alalana loza voajanahary isan-karazany, mosary na areti-mandringana.
Amina vanimpotoana toy izany dia tsy mahefa na inona na inona ny mpitazana, mivarahontsana sy mangoraka ireo rehetra mijaly sy ny olona manao vy very ny ainy hamonjy azy ireo. Misy antso te hikomy amin’Andriamanitra ve miloatra avy ao anatintsika ? Ndao hanaiky hohazavain’ny Teniny : „Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany” (Jeremia 29:11). „Fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany, araka ny haben’ny famindrampony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona” (Fitomaniana 3:32-33).
Ilay Andriamanitry ny fiadanana dia te hanafaka antsika amin’ny ratsy sy te hampitandrina antsika amin’ny fitsarana ho avy. Mahari-po Izy, ka mbola misarika ny masontsika hijery ilay fomba tokana ahazoana famonjena, atolony maimaimpoana amin’ny alalan’ny Filazantsara. Andriamanitra „Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4:14). Taominy isika hiara-mangora-po aminy, hivavaka ho an’ny olona rehetra, ary hanambara ny Vaovao mahafaly milaza ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy.