Alakamisy 6 Avrily 2023

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra), ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9

(Hoy Jesosy :) Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy (ny ondriko) mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Jaona 10:28

 

Andriamanitra ve afaka mamela ny heloka rehetra ?

Mety nahavita heloka lehibe aoka izany angamba ny kristiana iray, ka manontany tena hoe afaka mamela heloka azy ve Andriamanitra. Ndao jerena ny ohatra momba an’i Davida mpanjaka, izay resahin’ny Baiboly betsaka antsika (2 Samoela 11). Inona moa no nataony ?

Niala sasatra izy, fa tsy mba nandeha tany an’ady niaraka tamin’ny miaramilany. Nitsiriritra vehivavy iray izy ka nijangajanga taminy.

Mpamono olona izy : nampamono an’i Oria vadin’ilay vehivavy izy, mba hanafenany ny helony. Hoy i Davida tatỳ aoriana : „Tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany”.

Na izany aza anefa, rehefa nasehon’Andriamanitra an’i Davida ny hadisoany, dia niaiky izany izy (2 Samoela 12:13), ka nomen’Andriamanitra toky hoe : „Tsy ho faty ianao”. Tena zava-dehibe ny fiekena an-kitsimpo sy lalina ny heloka natao. Asehon’ny Salamo 51 antsika ny asan’ny fieritreretana tao amin’i Davida : tsapany ny lanjan’ny otany, ny faniratsirany an’Andriamanitra, ka niverina tamin’Andriamanitra izy.

„Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina” (1 Jaona 2:1). Jesosy, Ilay mpisolo vava antsika, dia misahana ny hamerenana antsika amin’Andriamanitra, rehefa nanota isika. Marina Andriamanitra rehefa mamela heloka izay miaiky ny fahadisoany : „Marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy” (Romana 3:26). Marina Andriamanitra satria mamela heloka, tsy arakaraka ny asantsika na ny fitondrantenantsika, fa noho ny asa nataon’i Kristy. Nijaly Jesosy ary maty teo amin’ny hazofijaliana, mba hahazoana manao io famelan-keloka io.

Nefa tsy tokony hanome lalana antsika hanamaivana ny ota ny fahazoana antoka mahatalanjona hoe mamela heloka Andriamanitra. Lafo loatra mantsy ny sarany naloan’ny Mpamonjintsika ho amin’izany ! Koa ndao hangataka aminy ny hery mba hiainantsika araka izay mahafaly Azy.