Zoma 7 Avrily 2023

Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Matio 18:3-4

 

Toy ny ankizy kely

Ao amin’ireo filazantsara dia imbetsaka Jesosy no mamerina fa tsy maintsy manjary toy ny ankizy kely [adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : „tonga tahaka ny zaza”] isika, vao tafiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nampieritreritra ahy fatratra izany, satria aho mirona tsy hino afa-tsy izay takatry ny saiko. Nefa satria aho tena te „hiditra ao amin’ny fanjakana”, dia nanaiky hanjary toy ny ankizy kely, fa tsy hitady hanadihady ny zavatra rehetra.

Nanomboka tamin’izay aho dia nahamarika fa tsotra fihetsika sy fisaina ireo olona manana fifandraisana lalina amin’i Jesosy Kristy. Manakaiky ny ankizy kely izy amin’izany. Inona moa no tena maha samy hafa olon-dehibe sy ankizy ? Ny ankizy dia matoky sy miantehitra amin’olona lehibe kokoa noho izy, ary indrindra, matoky ireo izay tsapany fa tia azy. Ny olon-dehibe kosa dia mihevitra ho afaka mitsara samirery ny zava-drehetra ; ary izy ihany no tiany ho tompon’ny tenany.

Raha ny amiko, dia tsy afaka nanana fifandraisana mivantana amin’i Jesosy Kristy aho, raha tsy nanaiky hanjary ho kely. Miha akaiky an’Andriamanitra isika, tsy hoe rehefa mihaosa ny saina, fa mifanohitra tanteraka amin’izany aza, rehefa miala amin’ny zavatra ivelambelany sy mikatsaka izay tena zavatra iankinan’aina, izay tsapan’ny ankizy indraindray, noho ny fahatsoram-pony. Rehefa tsy mampikomy antsika ny fijaliana —halavirin’Andriamanitra antsika anie izany fikomiana izany-, dia afaka manampy antsika hamela ny avonavontsika natao fiarovana. Ary ho hitantsika Ilay akaiky antsika indrindra, dia Jesosy Kristy, ka hitoky aminy isika, satria tia antsika Izy.