Asabotsy 8 Avrily 2023

Tsy zavatra mety ho simba… no nanavotana anareo… fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina. 1 Petera 1:18-19

 

Ilay Zanak’ondry tsy maintsy novonoina

Taoriana-na mosary dia nanjary andevo tany Egypta ny Zanak’Israely. Nanana fikasana Andriamanitra hanafaka sy hitondra azy ireo any amin’ny tany efa nomaniny ho azy. Fa alohan’izany dia nasainy namono zanak’ondry izy ireo ary nasainy nihinana izany. Tsy maintsy nohosoran’izy ireo ny ran’io biby io koa ny tolàm-baravarany (Eksodosy 12:3-13).

Tamin’iny alina iny dia tsy niharan-doza ireo ankohonana namono zanak’ondry ho fanatitra sy nanosotra ny rany nanodidina ny varavarany. Fa tany amin’ireo ankohonana tsy nitandrina izany baikon’Andriamanitra izany kosa, dia maty ny lahimatoa.

Io tantara ao amin’ny Baiboly io dia manambara mialoha ny famonjena haroson’Andriamanitra atỳ aoriana ho an’ny zanak’olombelona rehetra, mba hamonjeny azy amin’ny famaizana sahaza azy noho ny ota. Ny Zanak’ondry natao sorona dia Jesosy, maty ho antsika tany Jerosalema, tamin’ny andro nankalazana ny Paska jiosy. Kristy natao sorona no tena Paska ho antsika :

— Ny zanak’ondry tsy misy kilema dia tsy maintsy nampitoerina efatra andro teo akaikin’ny trano. Ireo mpiara-belona tamin’i Jesosy dia afaka nahita ny halavorarin’ny fiainana maha olona Azy, ary hoy Andriamanitra : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 17:5).

— Novonoina ilay zanak’ondry : nisy biby tsy maintsy novonoina, mba hanavotana olona. Fa mba hamonjena antsika kosa ho afaka amin’ny fijalijaliana mandrakizay, dia nataon’Andriamanitra sorona ny Zanany Lahitokana.

— Tsy maintsy nohanina izany zanak’ondry izany. „Mihinana ny Zanak’ondry” isika, rehefa mino fa ny fahafatesan’i Jesosy no manome antsika ny fiainana mandrakizay. Arovan’ny „ran’ny Zanak’ondry” isika, satria Andriamanitra tsy hamely izay nametraka ny fitokiany aminy.