Alahady 9 Avrily 2023

Amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina ; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. Salamo 30:5

(Hoy Jesosy :) Ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana. Jaona 16:20

 

Ny andro manjombona indrindra, ny andro tsara indrindra

Tsara vakina : Lioka 23:49 hatramin’ny 24:10

Jesosy avy any Nazareta dia „nandehandeha nanao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38). Namahana vahoaka maro Izy, nanasitrana marary, ary nanangana maty aza. Nampitony ny tafiodrivotra ny feony, namerina fanantenana tamin’ny maro ny teniny. Mazava fa Jesosy dia lehibe mihoatra noho ny mpaminany, lehibe mihoatra noho ny olombelona.

Tamin’io zoma hariva io anefa, taorianan’ilay zava-doza, ilay fanomboana teo amin’ny hazofijaliana, dia nofonosina lambam-paty Jesosy, ary napetraka tao anaty fasana nolavahana teo amin’ny vatolampy. Tao no nahitana vehivavy vitsivitsy Azy sy namelany Azy, mandra-pahalasa ny andro Sabata (asabotsy). Nisaona ny mpianany ary nitomany (Marka 16:10). Nikorontan-tsaina avokoa ny rehetra, noho ny fiafarana mampihoron-koditra nanjo Ilay Mpampianatra azy ireo. Nametraka taminy ny fanantenany manontolo izy ireo, nahatakatra fa Izy no Ilay Mesia nampanantenaina. Saingy nankahala Azy ny firenen’izy ireo, ary niray hevitra tamin’ny mpanjanaka romana, ka nampanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana, toy ny jiolahy. Ohatra ny nangina Andriamanitra…

Fa vao mangiran-dratsy kosa, ny alahady, dia nisy zava-tsy fahita nitranga : nihorohoro ny tany, nisy anjely nidina, nanakodia ny vato nanidy ny fasana. Nefa foana ny fasana ! Andriamanitra, Izay toa lavitra aoka izany, dia naneho „ny fihoaran’ny halehiben’ny heriny” (Efesiana 1:19) tamin’ny nananganany ny Zanany ho velona indray. Nandimby ny andro manjombona indrindra ny andro tsara indrindra. Niravoravo ny mpianatra rehefa nahita ny Tompo nitsangana velona indray (Jaona 20:20). Ho afaka niara-nihira tamin’ny mpanao salamo izy ireo hoe : „Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao” (Salamo 30:11). Velona ny Tompo, niova ho fifaliam-be ilay fisaonana.

Ndao hidera an’Andriamanitra eo amin’ny fahazavan’io maraina mahatalanjona io !