Alatsinainy 10 Avrily 2023
Ny iraika ambin’ny folo lahy mbamin’izay nomba azy… nilaza hoe : Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’i Simona. Lioka 24:33-34
Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty. Romana 8:11
Nitsangana velona indray Jesosy
Nitsangana velona indray Jesosy, ho Azy anie ny voninahitra !
Niseho tamin’ireo izay Azy Izy, ireo olony votsa saina ka tsy nino.
Nahita ny tanany, ny lanivoany, ireo ratra nampihetsi-po
Izy ireo, vao nihaino Ilay feo mampitony.
Hoy Jesosy taminy : „Fiadanana ho anareo !” Ary tamin’ny fanatrehany
Izy dia nameno fifaliam-be azy ireo, izay nihetsi-po fatratra.
Eo afovoan’ny roa na telo, izay tia sy mitsaoka Azy,
Dia eo Izy, toy ny taloha, ho an’ireo izay manaja Azy.
Nandresy ny fasana Kristy : Hery tsy hita lany izany !
Ankalazainay, ry Tompo, ny asa notanterahinao.
Nahafa-po Ilay Andriamanitra fahazavana ny sorona nataonao ;
Niseho tao amin’ny fandresenao ny voninahitry ny Ray.
Haneno ny trompetra rehefa avy Ianao,
Ary ny Fiangonana hamaly ny feonao, izay fantany.
Mitafy vatana vaovao izahay, atao mitovy aminao
No hahita Anao, ry Zanak’ondry masina, Mpamonjy mendrika hitsaohana.
Ry Jesosy, Mpanavotra anay, Tompon’ny aina,
Ianao no mamaha amin’ny fahafatesana sy ny horohorony.
Ry fahafatesana, aiza ny fanindronanao ? Aiza ny fandresenao ?
Miray fo izahay midera Anao, ry Tompon’ny voninahitra !
(Antsa sy Fiderana)