Talata 11 Avrily 2023
Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny malahelo amin’izao fiainana izao, ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy ? Jakoba 2:5
„Izay inoako ve ? Aza miolakolaka isika. Tsy mino aho fa izao tontolo rehetra izao dia vokatra kisendrasendra sy zavatra tsy azo ihodivirana, hoe hiara-miasa hahavita izay ilainy. Mino aho fa misy —ndao lazaina avy hatrany- drafitra ho an’izao tontolo rehetra izao sy filaminan’ny toejavatra. Mivelatra ao anatin’ny tantara ireo, ary tsy takatry ny saintsika ny heviny.” Ireo andalantsoratr’i Jean d’Ormesson ireo dia mamerina antsika ho amin’ny fanontaniana hoe : misy dikany ve ny tantara ? Ny tantara dia tsy inona fa fifandirana sy ady misesisesy eo amin’ny samy firenena, mba hanapahana izao tontolo izao. Dia ho toy izany hatrany ve ?
Lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ny fikasany, mba ho fantatr’izay te hino ny teniny. Izy dia mampahafantatra antsika „ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony… araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, hahatanterahany ny fitondrana hatao, mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany” (Efesiana 1:9-10). Tamin’ireo vanimpotoana samihafan’ny tantaran’ny zanak’olombelona, dia niseho hatrany ny tsy fahaizan’ny olona mitantana ny tany. Miteraka ireo vokany mampalahelo ny herisetra, ny havetavetana, ny tsy rariny… Nefa Andriamanitra dia nanana drafitra tiany notanterahina tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. 2000 taona lasa izay, dia tonga tetỳ an-tany Jesosy, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana ; nefa ny nitsanganany velona indray dia nanaporofo fa Izy tokoa no Ilay Zanak’Andriamanitra (Romana 1:4). Nanova ny fizotran’ny tantara ny nandalovany tetỳ an-tany, na dia mbola tsy hita maso aza izany izao. Jesosy dia nametraka fanjakana, izay miafina any an-danitra mandraka ankehitriny. Nefa ho avy tsy ho ela Izy, ho hitan’ny olona rehetra, hametraka eto an-tany io fanjakana io. Hotsaraina ireo fahavalony. Ireo izay nino Azy ihany no hifampizara aminy ny voninahiny. Isan’ireo ve ianao ?