Alarobia 12 Avrily 2023
Ary (Andriamanitra) manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa. Joba 9:10
Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànanao. Salamo 119:18
Rehefa vakina tsy misy hevitra ambadika ny Baiboly, dia mampitolagaga mandrakariva amin’ny karazan-javatra maro raketiny, ny harenany, ny halaliny, ny maha araka ny toetrandro azy… Farihy ahatarafana ny lanitra sy ny tarehiko izy, rehefa miondrika eo aho. Tontolo mahatalanjona miafara amin’ny mandrakizay no hitako, rehefa atrakako ny masoko. Tsy misy hadisoana mihitsy ao aminy, ka mahatonga ny fihevitr’Andriamanitra ho takatry ny manan-tsaina lehibe indrindra sy ny olona faran’izay tsotra (Salamo 119:130).
Reko Andriamanitra miteny amiko ao amin’ny Baiboly, hoe : „Anaka, tandremo ny teniko, ary raketo ao aminao ny didiko. Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao ; ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalànako. Afehezo eo amin’ny rantsantanànao izy, soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka izy” (Ohabolana 7:1-3). Araka izany dia mazava tsara ny fangatahan’Andriamanitra ahy handraikitra ny teniny ao am-poko, izay ivon’ny maha izaho ahy, ivon’ny eritrereritro, toy ny andraiketana sary ao anaty solosaina.
Mba hahazoana sary tsara, dia tsy ampy ny manindry ny bokotra mampandeha ny fakantsary. Ilaina ny mifantoka amin’ilay zavatra halaina sary, mamaritra ny sisiny, manitsy azy tsara, mihevitra ny ao aorianany, ny tontolo manodidina… toy ny famakiana ny Baiboly. Hahazoako tombony ny famakiana Baiboly raha ataoko am-pifantohana tsara, amin’ny fatokiana fa manan-kolazaina amiko Andriamanitra… Noho izany dia vonona tsara aho hihaino Azy, satria raha miteny amiko Andriamanitra, dia ho fahadalana ny tsy miraharaha izay lazainy ! „Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany, ka mamitaka ny tenanareo”, hoy Izy. Raha manatanteraka izany isika, dia ho sambatra (Jakoba 1:22, 25).