Alakamisy 13 Avrily 2023
Izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana. Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo… Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay (Kristy) mampahery ahy. Filipiana 4:11-13
Fotoana vitsivitsy izay dia nisy olona milaza ny tenany ho kristiana, nandefa hafatra tahatahaka izao ao amin’ny findaiko : „Androany dia ho feno ny poketranao, ary ho tsara ny fahasalamanao. Ho tanteraka avokoa ny nofinofinao sy ny hetahetanao, hahomby ireo vinavinanao. Mirary tontolo andro tena tsara ho anao. Hitahy anao anie Andriamanitra”.
Fiainana lavitry ny zava-manahirana rehetra, isokafan’ny varavarana rehetra, ary mampilamina ny zavatra rehetra, izany tokoa ve no nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny kristiana ? Raha izany mantsy, inona no hoeritreretiko raha iharan-doza aho, raha marary, na very asa ? Tokony hihevitra ve aho fa manafay ahy na mandao ahy Andriamanitra, na tsy mitahy ahy ? Na koa, izaho ve no tsy ampy finoana ?
Diso ny fomba fijery ny finoana kristiana toy izany, ary mety hampilatsaka ho amin’ny fikorontanan-tsaina ny kristiana, izay heverin’Andriamanitra fa tsara ampandalovina toejavatra sarotra.
Ny famakiantsika ny Testamenta Vaovao fotsiny dia mampiseho amintsika kristiana maro misedra fitsapana sy zava-tsarotra isan-karazany. Ny apostoly Paoly mihitsy aza ve moa, tsy efa nisedra hanoanana, hatsiaka, faharendrehan-tsambo, tranomaizina, sns. (2 Korintiana 11:23-27) ?
Ry kristiana, ny fitahiana antsika dia any an-danitra, miaraka amin’i Kristy. Andriamanitra dia manofana antsika etỳ an-tany, mitantana ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary te hampahafantatra antsika ny fitiavany ao anatin’ireo fotoan-tsarotra. Dia ho fantatsika Izy ho Ilay „Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra” (2 Korintiana 1:3). Nefa tsy ho an’izay maha metimety antsika etỳ an-tany fandalovana etỳ, fa ho amin’izay tena harenantsika, any an-danitra ary ho mandrakizay !