Zoma 14 Avrily 2023

Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18

(Hoy Jesosy :) Ray ô… efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao. Jaona 17:24

 

Fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao (1)

Lahatsoratra telo ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no ahitana ny fehezanteny hoe „fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”, izany hoe talohan’ny nisian’izao tontolo rehetra izao. Ny voalohany dia miresaka ny fitiavana mandrakizay ananan’ny Ray ho an’ny Zanaka (Jaona 17:24), ny faharoa dia momba ny Zanak’ondrin’Andriamanitra voatendry mialoha hatry ny mandrakizay (1 Petera 1:20), ary ny fahatelo dia milaza ny fifidianana ho mandrakizay ireo mpino (Efesiana 1:4).

— Ny fitiavana mandrakizay ananan’ny Ray ho an’ny Zanaka :

Talohan’ny nandehanany ho eo amin’ny hazofijaliana, dia nivavaka ho an’ny mpianany Jesosy. Tiany hiaraka aminy any an-danitra izy ireo, mba hahita ny voninahitra nomen’ny Rainy Azy. Hoy koa Izy : „Fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”.

„Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny epistilin’i Jaona, manamafy (1 Jaona 4:8, 16). Ny fitiavana dia anisan’ny toetran’Andriamanitra, ary niseho talohan’ny fanorenana izao tontolo izao, teo amin’Andriamanitra Ray sy „Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray” (2 Jaona 3). Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy dia antsoina hoe : „Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray” (Jaona 1:18). Ny teny hoe „ao” dia maneho fitohizana maharitra tsy misy fahatapahana mihitsy. Ny Zanaka no ivon’ny fitiavan’ny Ray, any ivelan’ny fotoana sy ny toerana. Rehefa tonga tetỳ amin’ity tontolo ity Jesosy, dia nijanona ho Ilay „Zanaka Lahitokana… ao an-tratran’ny Ray”, ary hitoetra ho izany mandrakizay.

Koa mifamatotra amin’ny toetran’Andriamanitra ny fisiana mandrakizain’ny Zanak’Andriamanitra, ivon’ny fitiavan’ny Ray. Raha misalasala ny amin’izany, dia tsy mahafantatra ny toetran’Ilay Andriamanitra fitiavana.

Tonga ny Zanak’Andriamanitra, naneho io fitiavana io tamin’ny olona. Nanomboka hatreo dia afaka miteny amin’ny Ray Izy, momba ireo novonjeny, hoe : „Ianao… efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy” (Jaona 17:23).

(hitohy amin’ny zoma roa manaraka)