Asabotsy 15 Avrily 2023
Izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory… Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy, hamonjy ny mpanota. 1 Timoty 1:13, 15
Manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho. Filipiana 3:13, 14
Tena natahotra mafy ilay mpamangy, niditra tao amin’ny efitrano niandrasana voafonja maro azy. Nanolo-kevitra izy hiresaka amin’izy ireo ny Filazantsara, ilay vaovao mahafaly ambaran’ny Baiboly, ka maro ny nanaiky hanatrika, satria liana… na te hanadino mandritra ny adiny iray na roa ireo olana iainany isanandro…
Natahotra aoka izany izy… ka tafintohina rehefa nanatona ny sezany, dia nianjera, ary nihomehezan’ny rehetra. Menatra izy, ka te hiala teo.
Nijanona ihany anefa izy, ary nandray fitenenana : „Izay vao nitranga teo anatrehanareo teo, dia maneho indrindra ny zavatra tiako holazaina anareo androany. Mety hianjera isika, ka tsy homen’ny rehetra hasina intsony… nefa miarina indray, dia manohy miroso. Tsy mbola tara izao. Jesosy Kristy dia tonga mba hamonjy ireo izay very.” Niainga tamin’izany, dia mora taminy ny nanambara tamin’ny mpihaino, izay niverina nifantoka tsara tampoka, fa tsy misy olona nianjera ambany loatra ka hoe tsy tratran’ny fitiavan’Andriamanitra. Rehefa manameloka antsika ny fitsaran’olombelona, Andriamanitra, Ilay Mpitsara ambony indrindra, dia mahafantatra ihany koa ny tena toerana misy antsika, saingy manana fomba tokana hamelana ny fahotantsika, tokana nefa mitoetra ho marina hatrany. Ataony izany, satria nomelohina Jesosy Kristy, nisolo toerana antsika. Izay manaiky ho an’ny tenany io sorona nataon’i Jesosy io dia manjary marina tanteraka, eo anatrehan’Andriamanitra. Voavela ny faniratsirany an’Andriamanitra, izay loza lavitra noho ny nataony tamin’ny olona. Na inona na inona toerana misy ny olona iray sy ny hoaviny eto an-tany, dia afaka ho teraka indray izy, hiarina, ary hanomboka fiainana vaovao tanteraka, matoky fa hatreo dia Andriamanitra mihitsy no miaraka aminy. Mahaliana anao ve izany ?