Alahady 16 Avrily 2023

Ianareo… efa mazava ao amin’ny Tompo… ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava… mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo. Efesiana 5:8-10

Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Efesiana 5:15-16

 

Kristiana alahady hoe ?

Vao nitsangana velona indray Jesosy, ny alahady, dia nijoro teo afovoan’ny mpianany, izay tafavory tao „an-trano ambony” : toeram-piombonana atrehin’ny Tompo (Jaona 20:19, 26). Nanomboka hatreo dia kristiana maro no tsy nahafoy io fifamotoana io, amin’ny andron’ny Tompo. Nefa ndao hanontany tena hoe : Io ve no hany andro ao anatin’ny herinandro iainako eo anilan’ny Tompoko ?

Ny finoana kristiana dia tsy hoe dingana mifamatotra amina fotoan-dehibe vitsivitsy tsy akory, fa fiainana ifandraisana manokana sy isanandro amin’i Jesosy, Ilay Mpamonjiko sy Tompoko, eo ambany maso feno fitiavan’Ilay Andriamanitra Raiko.

Aza kristiana alahady fotsiny isika. Isanandro isika no antsoina hitombo „amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy” (2 Petera 3:18). Dia ho fiderana an’Andriamanitra sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy ny fiainantsika manontolo, na dia amin’ny zavatra faran’izay tsotra ataontsika aza.

Ny finoana kristiana dia tsy fitambarana fahazarana ara-pivavahana ihany koa, arahina asa soa vitsivitsy hiniana atao ao anatin’ny faharerahan-tsaina isanandro noho ny asa aman-draharaha sahanintsika. Ny finoana kristiana dia fomba maha izy ny tena, aloha, fa tsy dia hoe fomba fanaovana zavatra. Taomina ny kristiana hanambara „ny hatsaran’Ilay niantso [azy]… hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Petera 2:9), ka mangataka ny fanampian’ny Tompony mba hahatanterahany isanandro am-pifaliana ny asa anirahana azy. Tsy ny teny ataony ihany, fa ny fitondrantenany, aloha, no ahafahany maneho kely ireo hatsaran’i Jesosy ara-toe-panahy, dia fandavantena, fankatoavana an’Andriamanitra, fanetrentena, faharetana, fitiava-namana.