Alatsinainy 17 Avrily 2023
Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro. Titosy 3:3
Ianareo… dia mpanompon’izay arahinareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ny fahamarinana. Romana 6:16
Ny fiankinan-doha, teny tena fampiasa ankehitriny, dia manoritsoritra filana miverimberina sy tsy hay toherina hanao na handray zavatra iray, na misy aza antony manosika na ezaka hialana amin’izany. Mety hiseho amina endrika maro ny fiankinan-doha (zava-pisotro mahamamo, lalao, sary na horonantsary vetaveta, zava-mahadomelina…) ary mahatonga lalandava ho andevo sy hijaly.
Ny Baiboly, na tsy milaza io voambolana io aza, dia maneho izany amin’ny teny hoe : andevo (Jaona 8:34 ; Romana 6:16-20), voasingotra (2 Petera 2:20), sns. Mihevitra izany ho „aretin-tsaina” ny fiarahamonina, indrindra ny tontolon’ny fitsaboana ; fa ny kristiana kosa dia mandray ny fomba fijerin’ny Tenin’Andriamanitra : Satana dia mitady mandrakariva hanandevo ny olona amin’ny ota, ka tsy sasatra ny mampidina ambany azy, mba hampahory azy. Tetika maro no ampiasainy, ary matetika sarotra fantarina, kinga aoka izany, ary mamitaka. Aoka isika ho malina, na firy taona na firy taona !
Fahazaran-dratsy tokony hafoy, fifandraisana tokony hotapahina… Amin’izany no anombohan’i Satana manadonto ny fieritreretantsika, mba hakany fanahy antsika mafy kokoa. Rehefa azon’ny vela-pandrika isika, dia mahatsapa, saingy matetika efa tara loatra, ny toeram-pahandevozana naha tafalatsaka antsika. Aza mitoky amin’ny herintsika samirery, fa aoka hiantso ny Tompo. Izy no afaka manala antsika amin’ny vela-pandriky ny fiankinan-doha. Jesosy dia efa naharesy an’i Satana, ary mandraka ankehitriny Izy dia mbola te hanafaka, hampandresy ary hahasambatra antsika, sady mahay manao izany.
„Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo ; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy” (Jakoba 4:7-8).