Talata 18 Avrily 2023

Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. Salamo 18:28

Mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo ; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa, mba hahazakanareo izany. 1 Korintiana 10:13

 

Sakana teny an-dalana

Teny an-dalana hankany amin’ny gara izahay no tratra-na fitohanan’ny fifamoivoizana : tsy nisy fomba nahafahana mandroso intsony. Nandeha ny minitra : ho tonga ara-potoana ve izahay ?… Dia hitanay fa hay nisy fiara simba teo, tsy nisy mpamily, navela teo amin’ilay lalana tsy azo iverenana. Nihemotra izahay, ary nitsofoka tamina lalan-kely nahafahanay niala ilay sakana.

Zava-manahirana kely tsy nisy voka-dratsy izany, nefa manome lesona, satria mampahatsiahy antsika fahamarinana iray : avelan’Andriamanitra hifanehatra amina sakana isika, saingy tsy takatsika foana ny antony. Ao amin’ny sekolin’Andriamanitra isika dia omena „fanazaran-tena” (toejavatra mety ho sarotra) : ampianarin’ireny isika hahafantatra tsara kokoa an’i Jesosy sy ireo loharanon-kery atolony antsika.

Misy zava-tsarotra avelan’ny Raintsika any an-danitra hitranga, ary ataony mifanaraka amin’ny tsirairay ny haelany sy ny hamafiny. Nefa aoka hotsarovantsika izao : tia antsika Jesosy ary te hiaraka amintsika hamakivaky ireny zava-tsarotra ireny.

Manoratra ny apostoly Paoly hoe : „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra” (Filipiana 4:6). Mivavaha ao anatin’ny toejavatra rehetra, na zava-tsarotra lehibe na zava-manahirana kely ! „Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (and 7). Io fiadanana io no afaka manazava ny haizin’ny tebitebinao.