Alarobia 19 Avrily 2023
(Hoy Jesosy :) Izaho tsy mba avy amin’izao tontolo izao ; koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo ; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo. Jaona 8:23-24
Amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka. Asan’ny Apostoly 10:43
Odre ! teny roa hafahafa, mitambatra ao amin’io lohateny io ! Tsy maintsy hazavaina aloha ilay faharoa, mba hahatakarana ny voalohany.
— Ny fahotana dia tsy hevitra mibahana ao an-tsaina tsy akory, natokana ho an’ny mpino na ho an’ireo izay tsy mahazoazo aina eo amin’ny fiainany. Ny hoe fahotana, ho an’olona iray, dia ny tsy nahatratrarany ny tanjon’Andriamanitra teo amin’ny fiainany, ny tsy nitondrany ny fiainany araka izay nandrasan’Andriamanitra taminy. Na dia hevitra iray mifono avonavona na fitsiriritana aza, dia tsy tafiditra ao anatin’io drafitr’Andriamanitra io. Ary misy vokany izany : Andriamanitra dia masina, tsy mahazaka ny fahotana. Noho izany ny fahotana dia mahatonga ny olona ho lavitra Azy. Isika rehetra anefa dia samy efa naniratsira an’Andriamanitra (1 Mpanjaka 8:46), ka tsy misy misitraka ny fanatrehany.
— Eto vao misy dikany tena lehibe ny teny hoe famelana : io dia ny fanesorana ny fahotana, toy ny hoe tsy misy intsony, izany hoe : io teny io dia mampitodika amin’ny famelana ny fahotana, famelana omena izay mibebaka sy mino fa nosazina Jesosy, nisolo toerana azy. Tandremo anefa, tsy maintsy mino Azy ianao, raha tsy izany dia „ho faty amin’ny fahotanareo ianareo”, hoy Jesosy. Ny dikan’izany dia hoe hifanatrika amin’Andriamanitra ianao, vesaran’ireo faniratsiranao, tsy zakany jerena… Tsy afaka handray anao Izy, ka ho lavitra azy mandrakizay ianao, ho very, hijaly vokatry ny faniratsiranao… Raha misy olona tsy mino manokana fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, tonga mba hanonitra ireo fahotantsika, dia tsy hahazo ny famelana ireo fahotany izy.
Izaho manokana anefa dia mino fa efa „nanefa” ho ahy Jesosy Kristy, efa nisolo toerana ahy, niaritra ny famaizana ; ka noho izany dia „voavela” ireo fahotako, voaisotra. Tsy hanomezan-tsiny ahy mihitsy intsony ireo, afaka hihaona amin’Andriamanitra tsy amin-tahotra aho. Mino izany aho, afaka mitraka, ary miroso. Ary ianao ?