Alakamisy 20 Avrily 2023
Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy (ny olona), nefa tsy nahita soa… Mpitoriteny 6:6
Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa, ary ny fahafatesana sy ny loza… Koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:15, 19
Ny fahasambarana dia iray amin’ireo soatoavina maro mpikatsaka indrindra. Misy ireo fanazarantena momba ny ara-panahy avy any amin’ny firenena tatsinanana, mampanantena fahatoniana, fiadanana, firindrana. Ny mpanolo-tsaina sasantsasany indray dia mampirisika ny fiasana eo amin’ny tena, ny fivelarana manokana… Fototra tokana ihany no ianteheran’ireo fomba rehetra ireo, dia ny fatokiana ny olona sy ny fahaizany, fatokiana tena mandiso fanantenana anefa.
Ny finoana kristiana kosa dia miorina amin’ny Baiboly, izay tsy boky mirakitra „fomba hiainana fahasambarana”, fa ilay vaovao mahafaly milaza ny fitiavan’Andriamanitra. Io fitiavana io, nahariharin’ny asan’i Jesosy, dia manome fiadanana sy fifaliana tsy miankina amin’ny toejava-mitranga etỳ ivelany.
Ny tena fahasambarana dia mifamatotra amin’ny famitranan’ny olona fihavanana amin’Ilay Mpahary azy : „Mifankazara (Mihavàna) amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan’ny soa (ny fahasambarana) aminao” (Joba 22:21). Nanomboka tamin’ny nidiran’ny ota teo amin’ny zanak’olombelona (Romana 5:12), dia tsy nananan’ny olona intsony ilay hafinaretana sy fiadanana hita ao amin’Andriamanitra. Tonga Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mba hamonjy antsika ho afaka amin’io fahafatesana mandrakizay io, dia ny tsy fisiana fifandraisana amin’Andriamanitra. Mba hananantsika ny fiainana, ny fiadanana, ny tena fahasambarana, dia tsy maintsy nafoin’Andriamanitra teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, rehefa nisolo toerana antsika, nizaka ny famaizana sahaza antsika. Mifototra amin’io asa io, dia omen’Andriamanitra ho an’ny tsirairay ny ho afaka amin’ny „fahefan’ny maizina”, mba hametrahany antsika „ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany” (Kolosiana 1:13). Eo, ankehitriny, ny tena fahasambarana, ho an’ireo rehetra misafidy ny fiainana ao amin’i Jesosy Kristy.