Zoma 21 Avrily 2023

Tsy zavatra mety ho simba… no nanavotana anareo… fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina ; Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao. 1 Petera 1:18-20

Nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy : Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ! Jaona 1:29

 

Fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao (2)

„Fa ny Ray tia ny Zanaka” (Jaona 5:20). Fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, Andriamanitra Ray dia efa tia an’i Jesosy Kristy Zanany, Izay Zanak’ondry „fantatra rahateo”, fantatra mialoha. Ao amin’ny Baiboly, ny zanak’ondry dia manambara sorona. Fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, dia efa nisy Zanak’ondry iray voaomana hatao sorona. Nambaran’i Abrahama fa Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana (Genesisy 22:8). 2000 taona atỳ aoriana, ny mpaminany Jaona Mpanao batisa dia nanondro mazava tsara io ondry io. Nahita an’i Jesosy izy no nanambara hoe : „Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao !”

Jesosy koa, Ilay Zanak’Andriamanitra, izany, no Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra nambara an’i Abrahama, ary voaomana hatao sorona.

Nahoana moa no tsy maintsy misy sorona ? Noho ny tsy nankatoavan’ilay olona voalohany, ka nahatonga ny ota ho tafiditra teto amin’izao tontolo izao. „Fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Mba hanafaka antsika amin’ny vokatry ny ota, dia tonga teto amin’ity tontolo ity Jesosy. Fanatitra lavorary Izy, maty, ary ny rany nalatsaka no „manadio [ireo mino Azy] ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). „Naseho indray mandeha… Izy mba hanafaka ny ota, tamin’ny nanaterany ny tenany” (Hebreo 9:26).

Hitantsika indray ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ao amin’ny Apokalypsy (5:6, 8, 12, 13). Ny olona rehetra dia afaka nahita fa novonoina Izy, izany hoe natao sorona. Noho ny asany, ankehitriny Andriamanitra dia afaka mamonjy ny olona rehetra mino Azy.

Araka izany, ny nanendrena io Zanak’ondry io talohan’ny nanorenana izao tontolo izao dia manambara fa efa tany aloha mandrakizay Andriamanitra no vonona hanao sorona ny Zanany malalany, ho ana olona mpanota.

(hitohy sy hifarana amin’ny zoma heriny)