Asabotsy 22 Avrily 2023
Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo, no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Kolosiana 3:13
Ny fitiavana… mandefitra ny zavatra rehetra. 1 Korintiana 13:4, 7
Misy olona sasantsasany tena mahatehotia eo amin’ny fiarahamonina, manana toetra mahatsiravina ao amin’ny ankohonany. Falifaly mandrakariva izy ireny, miaraka amin’ny namany na any am-piasana, nefa mangina na mahery fiteny any an-tranony. Vonona mandrakariva izy hanampy ny hafa any ivelany, nefa tsy te hoelingelenin’ireo miara-miaina aminy ao an-tokantranony. Manam-paharetana izy ao amin’ny asany, nefa any an-trano dia mora misendaotra raha vao misy zavatra tsy azoazony.
Avy aiza izany fihetsika roa mifanosona izany ? Any ivelany isika dia miezaka mba ho hitan’ny olona hoe tsara. Fa ao an-trano kosa, mifankahalala ny tsirairay, ka tsy afaka mifanafin-toetra isika, dia miseho araka ny maha isika antsika. Afaka ho mahatehotia isika eo anatrehan’olona tsy fantatra, ka tsy tokony hihoatra noho izany aza ve, manoloana ireo olona tia antsika ?
Ry namana kristiana, maro amintsika angamba no mahatsapa ny tenany ho voasoritsoritra teo. Aoka ho takatsika fa ratsy sy mihatsaravelatsihy izany fihetsika izany. Fa „fahamarinana ao am-po no sitrak’Andriamanitra” (Salamo 51:6), ary tsy ankasitrahiny izany toetra roa mifanosona izany.
Aza mihevitra isika fa hanjaka ho azy ao an-tokantranontsika ny fiadanana sy ny fahatoniana. Ny tsirairay ao amin’ny ankohonana no tsy maintsy mangataka amin’Andriamanitra, mba hahitana taratra ao aminy ny toetran’Ilay Mpamonjy antsika, ny fahari-pony, ny fisokafany amin’ny hafa, ny fahaizany mihaino, ny fangorahany… Hanampy antsika hifandefitra izany, na dia tsy mora mandrakariva aza. „Fa ho amin’izany no niantsoana anareo ; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany” (1 Petera 2:21).