Alahady 23 Avrily 2023
Saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika. 1 Korintiana 6:11
Ny apostoly Paoly dia nahatsiaro fa nanenjika ny kristiana, zavatra tsy mba nataon’ireo apostoly hafa. Andriamanitra anefa tsy namery hasina azy noho izany, ary mifanohitra amin’izany aza, fa noho ny fahasoavany dia nataony mpitondra ny teniny any amin’ireo tsy Jiosy i Paoly, rehefa niova fo. Niatrika ny zavamisy izy. Fantany fa tsy ho afaka hamafa ny lasany naha mpanenjika azy izy, nefa nanaiky tanteraka izay nanaovan’Andriamanitra azy. Ny maha izy azy ankehitriny dia vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra : „Fa izaho dia ambany indrindra amin’ny Apostoly, ka tsy mendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra aho. Fa… tsy foana ny fahasoavany ato amiko” (1 Korintiana 15:9-10).
Zava-dehibe ho an’ny kristiana ny manaiky ny maha izy ny tenany, araka izay nanaovan’ny fahasoavan’Andriamanitra azy. Manaiky ny toe-batany, ny ray aman-dreny ananany, ny fianakaviany, ny fianakavian’ny vadiny, ny fanabeazana noraisiny. Manaiky ny lasany manontolo, anisan’izany ireo zava-niainany mampalahelo, mbola mahamenatra azy.
Ny fahatsiarovana ny fahasoavan’Andriamanitra, io irery ihany no afaka mampitoetra antsika eo amin’ny toerana marina eo anatrehany, satria manakana antsika :
— tsy hanambany ny tenantsika araka ny fijerintsika. Izaho angaha tsy zanak’Andriamanitra, tiany araka ny nanaovany ahy, sy araka ny anefeny ahy isanandro, araka izay ilàna hanefena ahy ?
— tsy hieboebo amin’izay ananantsika. Tsy mendrika handray na inona na inona aho, ary izay ananako dia raisiko avy amin’ny hamoram-panahin’Andriamanitra, Izay tsy manana trosa amiko, nefa mamindra fo amiko, mba ho toy izao aho, ka mba afaka manao zavatra ho Azy.