Alatsinainy 24 Avrily 2023

Fa lanin’alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako ; tsy manan-kery aho noho ny heloko. Salamo 31:10

Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. Jaona 17:3

 

Hatao inona moa ?

Ny fiainantsika dia tena feno fahoriana, ary ny fahafatesana no fiafarany tsy azo ihodivirana. Izany no mahatonga ny fanontanian’olona maro ny amin’ny dikan’ny fisiany : Hatao inona ny miaina ? Misy dikany ve ny fiainana, raha tsy maintsy hijaly aho mandritra ny ampahany amin’izany ? Inona no dikan’ny fiainana, rehefa toa mandositra foana ny fahasambarana ?

Misy boky iray ao amin’ny Baiboly, ny „Mpitoriteny”, mamaly izany fanontaniana izany : „Zava-poana sy misambo-drivotra foana izany”. Tsia, tsy misy dikany ny fisiana eto an-tany, raha esorina tsy ho ao Andriamanitra.

Lazain’ny Baiboly antsika ihany koa ny antony. Rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona, dia nametraka ny tenany tany ivelan’ny drafitra hitahiany azy. Ny vokatr’izany dia ny fiainany misavoritaka. Mety mizotra feno hasambarana izany, nefa mitsimbadika ho zava-doza afaka ora vitsy. Afaka miady araka ny fombany ny tsirairay mba hahita fahafinaretana, izay mihelina ihany, matetika ; nefa iza no afaka hanome antoka azy momba ny hiafarany tsy azo ihodivirana ?

Andriamanitra dia namaly izany, ao amin’ny Baiboly hatrany. Mba hamenoany ny habangana ao anatin’ny fanahintsika, sy hanazavany ny fiainantsika tsy misy fanantenana, dia nirahiny ny Zanany, Jesosy Kristy, Ilay tena fahazavana, manazava ny olona rehetra. Naniraka Azy Izy mba hanorina fifandraisana velona amin’ny voariny. „Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12). Ireo izay mino ny anaran’i Jesosy dia mandray aina vaovao, fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Zanak’Andriamanitra izy ireo, ka afaka miantso Azy hoe Ray sy mivelona mba ho Azy. Ary io fiainana io dia tena misy dikany ny hiainana azy.