Talata 25 Avrily 2023
Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24
Nitoriteny tany ambanivohitr’i Londra ilay mpitoriteny antsoina hoe Spurgeon ; ary rehefa nipetraka tao anaty lamasinina nitondra azy niverina hody izy, dia nahatsikaritra fa tsy tany aminy intsony ny tapakilany. Nisy lehilahy iray niara-nipetraka taminy tao amin’ilay efitrakely, nahita azy nikarokaroka tany am-paosiny, ka niteny tam-pitiavana taminy hoe :
— Antenaiko fa tsy misy zavatrao very.
— Misy mihitsy ka, very ny tapakilako, nefa indrisy fa tsy misy vola atỳ amiko. Saingy avy niasa ho an’ny Tompoko aho, ka hilamina ny zavatra rehetra. Efa nanampy ahy imbetsaka Izy, na tamina zavatra lehibe na tamina zavatra kely.
Naneho fiombonam-po taminy ilay olona niara-dia taminy.
Fotoana fohy taorianan’izany dia nandalo ny mpanara-maso, mba hanamarina ny tapakila. Noarahabainy tam-panajana feno ilay olona teo akaikin’i Spurgeon, ary niteny fohy taminy hoe :
— Milamina ny zavatra rehetra.
Naneho fanajana indray ilay mpanara-maso, dia lasa.
— Mahagaga izany, hoy i Spurgeon, fa tsy nisava ny tapakilako ilay mpanara-maso.
— Eny, hoy ilay iray namaly. Andriamatoa Spurgeon, tena manaporofo tokoa izany fa miahy anao Andriamanitra. Ny marina dia hoe izaho no tale jeneralin’ity zotran-dalamby ity, ary nalahatr’Andriamanitra ny toejavatra mba hahatonga anao ho ato amin’ny efitrakeliko indrindra. Fifaliana ho ahy ny nahafahako nanampy anao tamin’izay fomba izay.
Ndao hohazonina izao fiteny mahafinaritra izao : ny zava-manahirana antsika dia fotoana hararaotin’Andriamanitra. Niaina izany ity mpanompon’Andriamanitra ity, isika ihany koa afaka miaina izany.