Alarobia 26 Avrily 2023
Aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra. Salamo 69:32
Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6
„Nihalehibe tany Frantsa aho, tao anaty fianakaviana silamo voamariky ny herisetra. Nampahery ahy ny fandinihana ny zavaboary, ny vitsika, ny lolo. Nahitako karazana fitsipi-piainana izany, dia nino ny fisian’Andriamanitra aho. Izy no nahary ny zavatra rehetra, ka naniry hihaona aminy aho…
22 taona aho tamin’izay, nitsangantsangana irery teny amoron-dranomasina, ary nivavaka hoe : „Ianao Izay tsy hitako nefa tsapako eo amin’ny zavaboary sy ny fahariana, miteny aminao aho. Aiza anie Ianao ? Iza anie no anaranao ? Ahoana anie no hahafahako mahita Anao ? Ry Mpahary ahy, raha nanao zavatra ratsy aho, mba lazao ahy”. Tampoka teo aho dia voatosika hijery teo amin’ny tany, ary nahita boky kely menamena teo amin’ny fasika. Valin’ny vavaka nataoko ve ? Filazantsaran’i Jaona ilay izy. Nosokafako, ary ny teny voalohany novakiko dia ilay tenin’i Jesosy hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Nihiaka ny tato anatiko manontolo : „Izy, Izy no Ilay Mpahary anao !” Ny harivan’io dia nandohalika aho, ary nangataka tamin’i Jesosy mba hateraka indray, araka izay nolazainy an’i Nikodemosy (Jaona 3). Fifaliana tsy fantatro hatramin’izay no nameno ahy. Izay aho vao nahatsapa fiadanana. Fantatro Ilay Mpahary ahy.
Ny fianakaviana silamo dia sarotiny mafy amin’ny haja amam-boninahitra. Matetika dia raisiny ho fivadihana ny fiovana ho kristiana. Nivavaka mafy aho, nefa tsy afaka nanao marimaritra iraisana intsony. Nambarako tamin’ny reniko izany. Nilaza tamiko izy fa manary ahy. Nolazaiko taminy fa hijanona ho reniko hatrany izy, na inona na inona fanapahan-keviny. Nony farany dia nitohy ihany ny fifandraisanay ; isaorako an’Andriamanitra izany !”
Waria