Alakamisy 27 Avrily 2023
Ilay (Andriamanitra) nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany. Jeremia 10:12
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao… Jaona 3:16
Izany no lohateny-na boky iray, mitady ny valin’io fanontaniana io ao amin’ny siansa na ao amin’ny fifandraisan’ny olona amin’ny tany mpamelona azy. Mpahay siansa maro no tsy mahita afa-tsy kisendrasendra sy zavatra tsy maintsy nisy, ao amin’ny tantaran’ny fiainana sy izao tontolo rehetra izao. Ho an’ny maro kosa, izay sahirana loatra ka tsy mieritreritra izany, dia tsy mipetraka io fanontaniana io.
Ny mpino dia miantehitra amin’ny fanambarana nataon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, ary matoky izay lazainy. Ilay Andriamanitra mandrakizay, Mpahary ny lanitra, ny tany, ny olona sy ny anjely, dia naniry hampahafantatra ny tenany amin’ny alalan’io fahariana io. „Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra” (Salamo 19:1). Hita ao amin’izay nataony ny heriny, ny fahendreny, ny hamoram-pony. Izao tontolo izao koa dia sehatra ampahafantaran’Andriamanitra ny fitiavany.
Miara-misy ao amin’ny fiarahamonina ny tsara, ny ratsy, ny fitiavana, ny fankahalana, ny fahamarinana, ny lainga. Andriamanitra dia naneho ny hatsarana lavorary tao amin’i Jesosy, Ilay Zanany, tonga olona tetỳ an-tany. Tao aminy, ny fitiavana dia naharesy ny fankahalana sy ny ratsy. Ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no mitondra ny aina, ho an’izay mino fa te hamonjy azy Jesosy. Indrisy, fa izay mandà Azy kosa dia mitoetra ho „maty” ao amin’ireo fahadisoany, tsy manana fifandraisana velona amin’Andriamanitra, ary mizotra ho amin’ny fanamelohana ny tenany.
Ho an’ny mpino, io fiainam-baovao raisiny eto an-tany io, noho ny fahasoavana, dia ny ain’i Jesosy nitsangana velona indray, izany hoe ny fiainana mandrakizay. Satria niakatra any an-danitra Jesosy, dia ho tafangona any ny mpino rehetra. Io fanantenana io no efa mameno sahady ny fon’ireo izay miandry an’i Jesosy. Eny, misy dikany izao tontolo izao. Andriamanitra dia tonga teto an-tany, tao amin’i Jesosy, mba hiantso ny olona rehetra hitodika aminy ho amina hoavy feno voninahitra.