Zoma 28 Avrily 2023
… ny nifidianany (nifidianan’Andriamanitra) antsika tao aminy (tao amin’i Jesosy Kristy), fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika… amin’ny fitiavana. Efesiana 1:4-5
Jesosy… dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany. Hebreo 7:22, 25
Talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, Andriamanitra Ray dia efa tia an’i Jesosy Kristy Zanany. Nofidiny Izy mba ho Ilay Zanak’ondriny, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Farany, dia voasoratra koa hoe : Ny mpino dia voafidy tao amin’i Kristy.
Tao anatin’ny drafitra nataon’Andriamanitra, dia niriny mba hisy olona ho voavonjy amin’ny alalan’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy. Noraisiny ho olona voafidy ireo, talohan’ny nisiany mihitsy aza. Io safidy (na „fifidianana”) io dia zava-miafina tsy hain’olona hazavaina. Andriamanitra, Izay tsy refesina (1 Timoty 6:15 ; Joba 33:13), no hany mahay mandrindra ny votoatin’ny drafitra fikasany ho an’ny mandrakizay, sy ny tetikasany, ary ny fanatanterahany izany eto an-tany, araka ny fotoanany. Araka ny fiandrianany sy noho ny fitiavany, dia safidiny ny hamonjy ny olona. Nataony sorona mba hanaisotra ny fahotan’izy ireo ny Zanany, Ilay Zanak’ondry, Izay fantatra talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. Ary ny finoana io Zanany io no maha voavonjy ny olona tsirairay.
Ireo mpino „voafidy ao amin’i Kristy” ireo dia efa hitan’Andriamanitra mialoha hoe mifamatotra akaiky amin’ny Zanany. Io „fifidianana” io, izay ambaran’ny Baiboly amin’ny fomba hentitra, dia tsy manafoana mihitsy ny andraikitry ny olona mba hino fa maty hamonjy azy Kristy. Dia atolotr’Andriamanitra ny fahasoavany, ho an’ny olona tsirairay tsy ankanavaka. Andriamanitra dia „tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4). Tsy misy olona afaka handà tsy ho voavonjy, satria hoe tsy nofidina. Koa izay mandray ny famonjena dia mahita fa nofidina izy.
Araka izany, talohan’ny nanorenana izao tontolo izao dia :
— efa nisy fitiavana mandrakizay nampiray ny Ray sy Jesosy Zanany ;
— efa nisy Zanak’ondry, Ilay Zanaka malalan’Andriamanitra, natokana, nofidina mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ;
— efa voafidy tao amin’i Kristy ny mpino.
(tapitra)