Asabotsy 29 Avrily 2023
Apetraho aminy (amin’Andriamanitra) ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7
Ary amin’izany, dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo… Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy. Matio 6:34
Anikeheo maraina dia nisy nandondòna tao am-baravarana. Lehilahy iray no nangataka asa tamiko, mba hikarakara ny zaridaina. Nisy zavatra teo amin’ny fihetsiny, nanosika ahy hiresaka aminy. Hay izahay ireto samy kristiana. Nitantara tamiko ilay vahiniko hoe niova fo, fotoana vitsivitsy izay, ka nanova ny fiainany izany. Fahasahiranan-tsaina ho azy isanandro ny mitady asa hatao. Nefa ankehitriny izy dia miaina izany miaraka amin’Andriamaniny. Talohan’ny nandaozany ahy, dia hoy koa izy : „Ankehitriny aho dia tsy mangataka an’Andriamanitra intsony hanome vola ahy, fa mangataka Azy kosa hanala amiko ny fanahiana”.
Nanohina ahy io fanamarihana io, noho ny fahatsorany, ary miverimberina matetika ato an-tsaiko. Izy io dia tena mifanaraka amin’ilay fampianaran’i Jesosy ny mpianany hoe : „Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo… Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany, na dia kely monja aza ? Ary nahoana no manahy ny amin’ny fitafiana ianareo ?… Dia aza manahy ianareo, ka manao hoe : Inona no hohaninay ? na : Inona no hosotroinay ? na : Inona no hotafinay ?… Aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo… Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy” (Matio 6:25-34).
Fantatr’Andriamanitra fa ilaintsika ireo zavatry ny tany ireo, ary rariny ny miasa saina momba ireo. Nitoky tamin’Andriamanitra io kristiana io, nefa tsy nipetra-potsiny, na izany aza : nitety trano izy, mba hahita asa. Saingy izy dia nanjary nahay ilay zavatra sarotra amintsika, matetika, ny manatanteraka azy : nanjary nahay mametraka amin’Andriamanitra ny fanahiana aterak’ireo zavatry ny tany ireo.