Alahady 30 Avrily 2023

Tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Matio 11:27

… nampitenenany (nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao. Hebreo 1:2

 

Te hahafantatra an’Andriamanitra ve aho ?

Mitady porofo momba ny fisian’Andriamanitra ve ianao ? Rariny ihany izany. Nefa ve alohan’ny hanontaniana tena momba ny fisian’Andriamanitra, tsy tokony hanontany tena hoe : „Tena te hahafantatra Azy tokoa ve aho ?” ? Ireo izay mitady Azy mantsy dia valian’ny Baiboly hoe : „Hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho” (Jeremia 29:13).

Raha mitady hahafantatra an’Andriamanitra amin’ny saintsika isika, na amin’ny ezaka ataontsika, dia tsy hahafantatra Azy mihitsy. Andriamanitra dia fanahy ; noho izany, tsy afaka hahita Azy ny mason’olombelona. Ary ny avonavona dia mitaona antsika handà tsy hino izay tsy hitan’ny masontsika na tsy takatry ny saintsika.

Andriamanitra anefa dia naneho ny tenany, satria tia ny voariny, ary hatrizay hatrizay dia te hanana fifandraisana amin’ny olona. Izy no manatona antsika, mitady antsika.

Rehefa avy niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany Izy, dia niteny tamintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Voaporofo ny fitiavan’Andriamanitra, rehefa nirahiny ho eto amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana, mba hahavelona antsika amin’ny alalany (1 Jaona 4:9).

Ireo filazantsara dia manamarina fa tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy, mba hampahafantatra antsika an’Andriamanitra. Afaka niteny Izy hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).

Andriamanitra dia „tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. Ny marina inona moa ? Ny hoe mpanota eo anatrehany ny olona rehetra, nefa koa Jesosy dia „nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:4-6). Amin’ny alalan’i Jesosy irery ihany, sy ny asany lavorary, no ahafantarako an’Andriamanitra.