Alatsinainy 1 Mey 2023
Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony… Maniry hiala [aho], ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany. Filipiana 1:21, 23
„Nampihozongozona ny faritra manontolo ilay fipoahana mafy be. Ny hany tsaroako dia ny feon’ny fipoahana sy ny hery tsy hay tohaina nanipy ahy tamin’ny tany… Tany amin’ny hôpitaly aho vao nahatsiaro tena, feno potika fitaratra ny hodi-dohako, nanaintaina ; tsy nisy hery aho ! Tany Belfast (Irlande Avaratra) io ; nisy baomba nipoaka tao anaty fiarakely fitondrana entana ; velona aho, ary azo lazaina hoe tsy naninon-tsy naninona, nefa dia marobe ny maty ! Takatro fa saika maty aho. Nivarahontsana aho, nefa tsy nanan-tahotra momba ny zava-niseho, satria nanana antoka tanteraka fa raha maty teo aho, dia ho tsara ho ahy izany, satria ho niaraka amin’i Kristy any an-danitra aho. Nameno ny foko ny fiadanana”.
Tsy iriko ho an’iza na iza ny hotomorin’ny fahafatesana, nefa azoko antoka fa mety hahasoa ihany ny miaina zavatra toy izany, mba hametrahana ireo tena fanontaniana, mba hiverenana indray amin’ireo laharan-kamehana, sy hizorana ho amin’ny tena zava-dehibe.
Inona no vatofantsika ho ahy, momba ny any ankoatra ? Inona no mba lanjan’ny aiko, manoloana ny mandrakizay ?
Ireto misy fahazoana antoka vitsivitsy, nolazain’olom- pinoana, ary ekeko koa :
— „Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy… Sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra” (Joba 19:25-26).
— „Fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28).
— „Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao” (Joba 42:2).
— „Fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy” (2 Timoty 1:12).
J.S.