Talata 2 Mey 2023
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. Hebreo 9:27
Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1
Tsy misy afaka miala tsy hieritreritra ny fahafatesana. Fomba tena tsotra no amaritan’ny Baiboly ny fahafatesana, dia hoe : „tambin’ny ota” (Romana 6:23). Ampahafantariny antsika hoe nahoana ny olona rehetra no mandalo ny fahafatesana : „satria samy efa nanota izy rehetra”. Tsipihiny mazava ihany koa fa aorianan’ny fahafatesana dia hisy fitsarana (andinin-tSoratra Masina androany). Araka izany, ny fahafatesana dia manatona antsika toy ny vadintany tonga hametraka amintsika taratasy fiantsoana hiseho eo anatrehana fitsarana. Izany tsinjo izany ve tsy mba tokony hanosika antsika hamitrana tsy misy hataka andro fihavanana amin’Andriamanitra ? Satria mantsy, eo anatrehan’Andriamanitra ny tsirairay dia manana trosa mavesatra aoka izany, ka tsy hainy efaina.
Io trosa io dia efa nefain’i Jesosy Kristy, tonga nisolo toerana antsika. Izy no nizaka teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza ahy. Raha mino ny lanjan’ny sorona nataony aho, dia mamotsotra ny heloko Andriamanitra : izany no tapakila tsy hovaina intsony, hasehoko an’ilay vadintany mandondòna eo am-baravarana. Koa maika tokoa izany ny hananana io tapakila io alohan’ny fahafatesana, ary indrindra, ny tsy hanaovana tsinontsinona io fanomezan’Andriamanitra io.
Raha tsy manana io taratasy famotsoran-keloka io mantsy aho, dia tsy maintsy hiatrika Ilay Mpitsara faratampony, ka hiantoka ny fahotako, ary handre Azy manambara ny fanamelohana ahy.
Fa ho an’ny mpino kosa, ny fahafatesana dia tahaka vavahadin’ny lanitra mitondra azy eo anilan’i Jesosy. Apetraka ao amin’ny tany ny vatany, miandry ny fitsanganany ho velona indray, fa ny fanahiny kosa ampidirina any am-paradisa, eo anatrehan’Ilay Mpiandry Tsara, Izay nikarakara azy nandritra ny fiainany.
Nefa tsy miandry ny fahafatesana ny mpino, fa miandry an’i Jesosy mihitsy, Izay ho avy tsy ho ela haka ny olony. Ndao hiaina io fiandrasana io, eo am-pisainana ny hafaliany rehefa tonga amin’izay Izy, hanangona ireo tiany sy nafahany.