Alarobia 3 Mey 2023
Samy notsaraina araka ny asany izy (ny maty). Apokalypsy 20:13
Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Galatiana 6:7
Fahiny elabe dia nisy lehilahy manankarena iray, nitsidika toerana fampirantiana sy fivarotana asa kanto. Tampoka teo ny masony dia voasarika sary hosodoko iray nampitolagaga. Izy io dia naneho vehivavy mahantra iray nohodidinin’ny zanany maro. Nitalaho ny fijeriny, nanatsotra ny tanany amina lehilahy iray masiaka endrika : tsy nangoraka mihitsy ny fony, nanoloana ny fahantran-dravehivavy.
Nijanona teo ilay mpitsidika, ankona. Nisy tranga iray nitamberina tao an-tsainy. Ny endriny mihitsy no hitany eo amin’ilay lehilahy eo amin’ny sary. Nanome tsiny azy indray ny ranomason’ilay vehivavy mahantra noroahiny fahiny hiala tamin’ny tranony. Tsy nahaloa ny hofantrano ilay renim-pianakaviana, ka noroahany ho eny an-dalambe niaraka amin’ireo zanany, araka ny fo mafiny.
Tsy misy mampisalasala intsony : ilay sary dia mitondra ny sonian’ny zanak’ilay vehivavy, nanjary mpanao sary hosodoko malaza, teo anelanelan’izany fotoana izany. Izao dia mifanatrika amin’ny zavatra nataony ilay lehilahy manankarena. Tsy zakany io sary hosodoko hitany io. Tiany ho nopotehina mihitsy izy io !
Ho avy ny andro tsy maintsy hahitan’ny olona rehetra tsy nino an’Andriamanitra ny horonan-tsarin’ny fiainany manontolo. Androany ny zavatra maizimaizina eo amin’ny fiainantsika dia mbola hay fafàna, noho ny finoana an’i Jesosy Kristy sy ny fiekena ny fahadisoantsika amin’Andriamanitra. Nefa kosa izay mandà tsy handray ankehitriny ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny fahasoavany, miorina amin’ny sorona nataon’ny Zanany, indray andro any dia hiatrika ny fitsaran’Andriamanitra, hifanehatra amin’ny fahamelohany manontolo, tsy hanana fanantenana intsony ho voavela heloka. Ho tara loatra mantsy, amin’izay.
(araka ny Näher zu Dir [Akaiky Anao kokoa] 2016)