Alakamisy 4 Mey 2023

Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona. Hebreo 10:31

Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka. Romana 2:4

 

Ilay Andriamanitra mora fanahy

Misy olona sasany, maneso rehefa miresaka momba Ilay „Andriamanitra mora fanahy”. Ho an’ny hafa indray, Ilay „Andriamanitra mora fanahy” dia tena manafaka ahiahy ! Ilay Andriamanitra mora fanahy ve dia handefa any amin’ny helo ny olona mahitsy, manao izay azony atao ? Tsy afaka hisy izany ka ! Izy dia hijery ny ezaka sy asa soa nataon’izy ireo, ka ho tsara fiafara ny zavatra rehetra, satria Izy no „Ilay Andriamanitra mora fanahy”…

Nefa tsy feno io fiteny io, satria manindry ny hamoram-panahin’Andriamanitra fotsiny, ary manakona kosa ny fahamarinany sy ny fahamasinany.

Tsara Andriamanitra, ary Izy dia fitiavana. Izy dia fahazavana ihany koa, ka marina sy masina (1 Jaona 4:8 sy 1:5). Tsy ataony ho tsy manan-tsiny mihitsy ny olona meloka (Eksodosy 34:7). Isika rehetra anefa dia samy efa nanota avokoa (Romana 3:23). Na ezaka sy asa soa ataontsika dia tsy mahafafa na dia fahadisoantsika iray fotsiny aza ; noho izany dia mikatona ho antsika ny lanitra…

Inona àry no hatao ? Izao no avalin’Andriamanitra : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Kristy dia nizaka ny famaizana sahaza antsika. Koa afaka mampiseho ny fitiavany Andriamanitra, sady afaka mamela heloka, ary izany dia mifanaraka tanteraka amin’ny fahamarinany sy ny fahamasinany. „Marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy” (Romana 3:26). Ho an’izay mino, dia vohainy ny lanitra ; efa nahazo toerana ho azy Jesosy.

Aza mamita-tena isika, miteny hoe : „Ilay Andriamanitra mora fanahy”. Andriamanitra dia Ilay „Andriamanitra velona sy marina”. Ndao handray am-pankasitrahana ny famelan-keloka atolony antsika maimaimpoana, noho ny fahasoavany irery ihany, araka ny hatsaram-pony lehibe.