Zoma 5 Mey 2023
Izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana. 1 Korintiana 1:23
Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana. 1 Korintiana 2:2
Raha misy zavatra tsy fahita eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, dia ny firoboroboan’ny fivavahana kristiana, firoboroboana goavana. Toa sarotra inoana ny nielezany haingana aoka izany nanerana ny fanjakana romana, avy eo nanerana ny tany manontolo. Ambony lavitra noho izany aza, raha saintsainina fa ny fototry ny Filazantsara, dia hoe : Lehilahy iray nototorana ompa, fanesoana, kapoka, no nohomboana teo amina hazofijaliana tany akaikin’i Jerosalema ; ary io Lehilahy io dia Ilay Zanak’Andriamanitra, nanao sorona ny tenany mba hamonjeny izao tontolo izao.
Ndao anie mba alaina an-tsaina ny mety ho fanoherana nosedrain’ny fitoriana ny Filazantsara tamin’olona izay azo antoka fa tsy fohy fisainana : mpivavaka Jiosy, andaniny, Grika zatran’ny filôzôfia, ankilany. Maro ny nilaza hoe : „Hadalana !”, rehefa nahare ny toriteny hafa kely hoe : „Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, maty teo amin’ny hazofijaliana noho ny fahotantsika, ary natsangana velona indray”.
Nefa naharesy sakana maro io hadalana io. Izany dia manaporofo mihitsy ny maha avy amin’Andriamanitra azy. „Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana… Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona ; ary ny fahalemen’Andriamanitra mahery noho ny olona” (1 Korintiana 1:23-25).
Nasehon’i Jesosy an-tsary izany, tamin’ny ohatra momba ilay menarana varahina nahanton’i Mosesy teo amina hazo lava tany an-taniefitra ; ampy ny nijery azy io, mba hahasitrana tamin’ny kaikitra mahafatin’ny menarana. Kisarisarin’inona moa izany ? Jesosy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. „Tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra, no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona [eo amin’ny hazofijaliana], mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” (Jaona 3:14-15).