Asabotsy 6 Mey 2023
(Hoy Jesosy :) Tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. Jaona 5:30
Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. Jaona 6:38
Noraran’Andriamanitra Adama sy Eva tsy hihinana amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nefa hain’i Satana ny namoha tao amin’i Eva ny faniriana hihinana amin’io, na izany aza ! Dia nisafidy hanatanteraka ny sitrapon’ny tenany i Eva, ary nitaona ny vadiny hanao toy izany koa.
Nanomboka tamin’io fotoana io, ny olombelona taranak’i Adama dia nanana sitrapo mifanohitra matetika dia matetika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy tonga ho azy ao amintsika ny faniriana hanao ny sitrapon’Andriamanitra ! Aleontsika manao izay tiantsika, amin’ny fotoana sy fomba tiantsika. Izany, amin’ny sasany, no mamintina ny atao hoe fahasambarana.
Fony tonga tetỳ an-tany Jesosy dia nanambara hoe : „Tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy” (Andriamanitra Rainy). Io sitrapon’ny Rainy io no anton’ny nahatongavany tetỳ an-tany sy tanjona tsy niova mihitsy teo amin’ny fiainany. Mihoatra lavitra noho izany aza, ny hanatanteraka io sitrapon’Andriamanitra io dia fahasambarana, hanina ho Azy (Salamo 40:8 ; Jaona 4:34).
Talohan’ny nandehanany teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia niatrika ady anaty mafy. „Izy, Izay masina sy tsy nanana ota, ahoana no hahafahany manana sitrapo hijaly noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina”, sy hilaozan’Andriamanitra (2 Korintiana 5:21 ; 1 Petera 2:22 ; 3:18) ? Nefa dia nekeny an-tsitrapo ny sitrapon’ny Rainy : „Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42). Izany no laharan-kamehany tsy misy fepetra, na inona na inona saran’izany !
Nambarany tamin’ny mpianany ny anton’ny fahafoizany ny tenany hatramin’ny fahafatesana : „Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy, dia izany no hataoko” (Jaona 14:31). Fitiavana no antony nankatoavan’i Jesosy !
(rahampitso ny tohiny sady farany)