Alahady 7 Mey 2023
(Hoy Jesosy :) Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro. Jaona 8:50
Ray ô, mankalazà ny anaranao. Jaona 12:28
Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany. Jaona 17:4
Tao an-tsaha Edena i Satana dia nandresy lahatra an’i Adama sy Eva fa ho tonga „tahaka an’Andriamanitra” izy ireo, raha mihinana ny voan’ny hazo nandrarana azy. Hitan’izy ireo fa nampitsiriritra izany hoe hisandratra hitovy amin’Andriamanitra izany, ka nanaraka ny torohevitr’ilay mpaka fanahy izy. Dia tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo, nandà ny fahefana ananany amin’izy ireo, araka ny maha Mpahary Azy.
Niampita tamin’ny olombelona rehetra io faniriana hisandratra io. Tsy voajanahary ao anatintsika ny fanetrentena ; tokony hiaiky mihitsy isika fa ny avonavona dia mitoetra ao am-pontsika rehetra, amina haavo samihafa.
Rehefa tonga tetỳ an-tany Jesosy dia nanambara hoe : „Izaho tsy mitady ny voninahitro”. Na dia Zanak’Andriamanitra azy Izy, ary mifanohitra tanteraka amin’i Adama, dia nanafoana ny tenany mba hanjary olona. Avy eo, rehefa nanjary olona Izy, dia mbola nanetry tena ihany koa, hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana (Filipiana 2:5-11). Ny lalana narahin’i Jesosy izany dia mifanohitra amin’ny narahin’ireo ray aman-drenintsika voalohany. Tsy mba tao amin’i Jesosy mihitsy ny faniriana hisandratra, izay nitarika ny tsy fankatoavan’i Adama. Nifanohitra tamin’izany aza, fa nandritra ny fiainany manontolo dia hitantsika ny tena fanetrentenany tsy niova mihitsy. Izy dia „tsy miavona am-po” (Matio 11:29), tsy hoe fanetrentena haitraitra, toy ny antsika indraindray, no tao aminy. Tsy mba nitady ny fankasitrahana na ny fideran’ny olona Izy, fa nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Andriamanitra Rainy no ivon’ny fisainany, na taiza Izy na taiza, tamin’ny fotoana rehetra, ary tamin’ny zavatra rehetra.
Izy irery no nankasitrahin’Andriamanitra (Matio 17:5). Izany no antony nananganan’Andriamanitra Azy sy ny „nanandratany Azy indrindra”, ary nanasatrohany Azy „voninahitra aman-daza” (Filipiana 2:9 ; Hebreo 2:9).