Alatsinainy 8 Mey 2023

Fanaka voafidy izy, ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Israely ; fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany, ho voninahitry ny anarako. Asan’ny Apostoly 9:15-16

Fa ianareo efa nomena… tsy ny hino Azy (Kristy) ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy. Filipiana 1:29

 

Fiovam-pon’i Richard Wurmbrand (1)

Kristiana i Richard Wurmbrand, avy amina fianakaviana jiosy, ary nogadraina nandritra ny taona maro tany Romania, satria nino an’i Kristy. Tamin’ny taona 1967 izy dia nanorina vondrona iraisam-pirenena hanampiana ireo kristiana enjehina. Ity, sombin-tantara tamin’ny niovany fo, notantarain’i Sabina vadiny :

„Nihasitrana tsikelikely (tamin’ny raboka) i Richard. Niezaka aho niresaka taminy momba ny zavatra tsara niandry anay, rehefa hiverina any Bucarest. Izy kosa dia niezaka niresaka tamiko ny hitany tao amin’ny Testamenta Vaovao, izay mitantara ny fiainan’i Kristy. Talohan’izany izahay dia tsy nihevitra hanan-janaka, nefa ankehitriny i Richard dia niresaka ny fomba tokony mba hanabeazana azy ireo…

Tany amina tanàna kely tany an-tendrombohitra, izay nialany sasatra taorianan’ny naharariany, dia nisy zavatra hafahafa nitranga. Tao izahay dia nifankahalala tamina mpandrafitra iray efa antitra, izay nihetsi-po mafy nony nahatakatra fa jiosy i Richard. Namiratra ny masony noho ny fientanam-po, ary noraisiny tamin’ny tanany marokoroko ny sandrin’i Richard, dia hoy izy hoe :

— Nangatahiko Andriamanitra mba hanome fahasoavana manokana ahy, eo amin’ny faramparan’ny fiainako. Satria mantsy jiosy i Kristy, dia niriko ny hampahafantatra ny famonjeny amina Jiosy. Saingy tsy nisy Jiosy tetỳ, na iray aza, nefa aho tsy afaka nandao ny tanànako. Koa Andriamanitra izany no tokony handefa Jiosy iray ho atỳ amiko : valin’ny vavaka nataoko ianao.

Talohan’ny niainganay dia notoloran’ilay mpandrafitra Baiboly iray efa tonta i Richard, sady nilazany hoe :

— Nivavaka nandritra ny ora maro izaho sy ny vadiko, nangataka ny hiovanao fo.

Novakin’i Richard io Baiboly io, ary naverimberiny novakina…”

Dia toy izany no nahatonga azy ho kristiana.

(tohiny sady farany rahampitso)