Talata 9 Mey 2023

(Hoy Jesosy :) Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy. Jaona 6:44

Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24

 

Fiovam-pon’i Sabina Wurmbrand (2)

Avy amina fianakaviana jiosy i Sabina Wurmbrand, ary tafintohina mafy rehefa niova fo ho kristiana ny vadiny. Nefa dia nanjary kristiana ihany koa izy, tamin’ny andro nanaovana batisa ny vadiny. Hoy izy, nijoro ho vavolombelona :

„Indray hariva, nody avy namonjy fivoriam-bavaka i Richard no namihina ny tànako sy nilaza tamiko hoe :

— Napetrako tamin’i Kristy ny foko, ka tsy ho ela aho dia hatao batisa.

Nihoatra ny zavatra haiko nozakaina izany vaovao izany. Nihidy irery tao amina efitrano iray aho, nandritra ny ora maro, ary nanapa-kevitra hamono tena, amin’ny andro hanaovana batisa azy. Nony tonga io andro io dia nidiko mafy ny varavarako ary niampatra tamin’ny tany aho, nifokofoko nitomany. Nisy habangana nampatahotra, toa tany foana nampangorohoro, nanenika ahy. Namoy fo aho, niantsoantso hoe : — Jesosy ô, tsy afaka hanatona Anao aho, tsy tiako ho Anao i Richard, tsy zakako intsony izao !

Voadona mafy aho, noho ny herin’ny tomaniko. Niampatra ela teo aho, nitomany. Avy eo dia niverina ho tony tsikelikely aho, ary nisy zavatra niova tato anatiko.

Nanomboka niverina ny aina. Rehefa tafaverina i Richard, avy natao batisa tany amina tanàna hafa, dia niandry azy teny amin’ny fiantsonan’ny fiarandalamby aho, nitondra fehezam-boninkazo. Hafaliana moa ny azy ! Tamin’io hariva io dia niari-tory elabe izahay, niresaka momba ny zava-nitranga rehetra. Nivoatra moramora ho amin’io fiovana io aho, niasana hery mangina feno hamoram-panahy tsy takatry ny saiko ; tsy nanandevo ahy velively anefa io hery io, fa nanokatra ny foko ho amina tontolo vaovao.”