Alarobia 10 Mey 2023

Andramo ka izahao fa tsara Jehovah ; sambatra izay olona mialoka aminy. Salamo 34:8

(Hoy Jesosy :) Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina, ho an’izay mangetaheta. Apokalypsy 21:6

 

Mba efa nandramanao ve ?

Namarana ny vela-keviny ity mpampianatra iray tsy mino ny fisian’Andriamanitra. Nasainy ny mpihaino hametraka fanontaniana. Nisy lahiantitra iray nitsangana, nankeo anilan’ilay nanao vela-kevitra ; dia namoaka voasary avy tao am-paosiny izy, ary namaofy izany. Niangavian’ilay mpandaha-teny izy mba hametraka ny fanontaniany, saingy tsy namaly fa nanohy namaofy ny voasariny ihany. Avy eo izy dia nihinana ny hasiny tsirairay, tsy an-kiteny. Rehefa laniny, vao nitodika tamin’ilay mpanao vela-kevitra izy, ary niteny nony farany hoe :

— Izao no fanontaniako : Hono hoy aho, mangidy ve sa mamy ilay voasary teo ?

— Ahoana moa no hahafantarako izany, hoy ilay mpandaha-teny namaly, sorena. Tsy nanandrana azy aho !

— Hay ve ! hoy ilay lahiantitra namaly. Koa ahoana no ahafahanao miresaka an’i Kristy, raha mbola tsy nanandrana ny tsirony akory ?

Niresaka tamin’olona vao niova fo ny apostoly Petera, no nanontany azy ireo raha toa izy ireo „nanandrana fa tsara ny Tompo”. Ny hatsaran’ny Tompo dia „andramana” amin’ny fo, fa tsy amin’ny saina. Mpino maro tsy mahay manao vela-kevitra momba ny finoana kristiana no mahafantatra ny Tompony. Efa „nanandrana” mantsy izy ireo fa tsara Izy.

Toy izany koa, ny olona mangetaheta nisotro rano eran’ny kaopy dia mahafantatra fa manala hetaheta ny rano, mihoatra noho ny mpahay simia izay afaka miresaka ela momba ny firafitry ny molekiolan’ny rano ! Tsy maintsy manandrana aloha, vao hahafantatra izany !

Miantso Jesosy hoe : „Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37). Andramo ny manatona Azy. Dia ho fantatrao, satria nandramanao, fa tsara Izy ary afaka manala hetaheta anao, mahay manafaka ny hetahetan’ny fonao.