Alakamisy 11 Mey 2023
(Hoy Jesosy :) Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany, na amin’inona na amin’inona, ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany. Matio 18:19
„Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka, mbamin’ny vehivavy sy Maria, renin’i Jesosy, ary ny rahalahiny” (Asan’ny Apostoly 1:14). Indreto, eritreritra vitsivitsy momba ny vavaka iombonana :
— Mivavaka iray fo : Rehefa miara-miresaka amin’ny Raintsika isika, dia ilaina ny Fanahy Masina hanampy antsika hikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra, mba ho tafaray ao amin’ny vavaka isika.
— Mivavaka amina fomba azo tsapain-tanana : Ny tsirairay dia tokony ho afaka mahatakatra ny tanjon’ny fangatahana aroso amin’ny fo iray eo anatrehan’Andriamanitra, mbamin’ny ilàna izany sy ny hamehany.
— Mivavaka am-pinoana : Hoy ny apostoly Jakoba amin’izay mivavaka : „Aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory” (Jakoba 1:6). Rehefa matoky tanteraka ny hamoram-pon’Andriamanitra sy ny fahendreny isika, dia afaka mivavaka an-kalalahana tanteraka : hamaly Andriamanitra.
— Mivavaka am-paharetana : Misy tantara iray ao amin’ny Filazantsara, mampirisika ny mpianatra haharitra mivavaka. Vehivavy mananotena iray, niverimberina teo amin’ity mpitsara tsy marina akory, mba hanamafy hatrany ilay fangatahany. Nihaino azy ilay mpitsara nony farany (Lioka 18:1-6). Na oviana na oviana isika tsy hahareraka Ilay Raintsika any an-danitra.
— Mivavaka fohy : Tokony ho tsotra fiteny ny tsirairay. „Raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana” (Matio 6:7). Aza mihevitra isika fa ny teny maro no hahazoantsika valim-bavaka.
— Mivavaka am-pankasitrahana : Aoka isika hisaotra an’Andriamanitra rehefa manambara aminy ny fangatahantsika (Filipiana 4:6). Maro aoka izany ny zavatra omen’Ilay Raintsika any an-danitra antsika !