Zoma 12 Mey 2023
(Hoy Jesosy :) Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Jaona 12:32
Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Jaona 7:37
Antony mandrisika manokana, adidy, asa… inona moa no manosika antsika isa-maraina hiatrika ny andavanandrom-piainana ? Inona no tsy ampy eo amintsika, mba hampitomboantsika lanja ny fisiantsika sy hananana antom-pahavelomana mitombina ? Tsy ho amin’izany ve no namoronana antsika ?
Efa hatrany am-piandohana Ilay Mpahary antsika no nanana fikasana ho an’ny olombelona, dia ny hikolokolo fifandraisana velona amin’ny tsirairay. Hoy Ilay Fahendrena Mpamorona (izany hoe Ilay Zanak’Andriamanitra) : „Dia mpità-marika teo anilany aho, sady ravoravo isanandro isanandro, ka nilalao mandrakariva teo anatrehany ; eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, ary naharavoravo ahy ny zanak’olombelona” (Ohabolana 8:30-31). Nisy io fifandraisana mahatalanjona io, ary niainana teo amin’Andriamanitra sy ny olona tao an-tsaha Edena, mandra-pahatapaka azy noho ny ota.
Nahazo antsika mantsy ny ota. Andriamanitra kosa dia tsy niova, ka mbola miteny amintsika hatrany hoe : „Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” (Jeremia 31:3). Tiany haverina indray ny fifampiresahana aminy. Misy taratasy avy aminy, ho an’ny zanak’olombelona, dia ny Baiboly. Izy io dia milaza amintsika fa Andriamanitra mihitsy no tonga teto anivontsika, tao amin’i Jesosy. Nefa mba hametrahantsika fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy diovina aloha isika, ho afaka amin’ny ota. Ho amin’izany dia maty Jesosy ary nitsangana velona indray. Omeny ny fiainana mandrakizay izay voataonan’ny fitiavany, ka mibebaka sy mino Azy. Ndao àry hanaiky hotaomin’io fitiavan’Andriamanitra io. Rehefa afaka mantsy isika, dia hahita ny tena antom-pahavelomantsika.