Asabotsy 13 Mey 2023

… hahazoantsika fampirisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika. Hebreo 6:18-19

 

Arỳ ambony no mifamotoana

Tanàna kely iray avo toerana any Auvergne (Frantsa) no mitaona ny olona mba ho tonga hijery ireo hetsika, fampisehoana ary tsenan’asan-tanana, amin’ny teny hoe : „Arỳ ambony no mifamotoana”. Mampahatsiahy ny kristiana izany fa izy koa dia manana fotoana nifanomezana any ambony any. Nampanantena ny mpianany mantsy Jesosy, talohan’ny nandaozany azy ireo, hoe : „Ao amin’ny tranon’ny Raiko, misy fonenana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:2-3). Izany no fanantenana mahatretrika, mampahery sy mampionona ireo rehetra matoky an’i Jesosy. Mahazo antoka izy ireo fa nitsangana velona indray ny Mpamonjiny, ary Izy tenany mihitsy no hiverina haka ireo izay Azy. „Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy, ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionòna ianareo, amin’izany teny izany” (1 Tesaloniana 4:16-18). Io „fotoana ifanomezana any ambony any” io dia manome hery sy fifaliana ho an’ny mpino, ary tanjona ho an’ny fiainany isanandro. Afaka mihira miaraka amin’ny mpanao tononkalo izy hoe : Any ambony any, ao an-tranon’ny Ray, Ao aminao, Jesosy ô, dia manana ny zavatsoa rehetra aho, Ny harena rehetran’ny fitoerana masina. Tompo ô, ny tavanao no fahazavana ho ahy, Ny voninahitrao sy ny fitiavanao dia ahy.