Alahady 14 Mey 2023
Izay nataon’i Jesosy… hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny, sady niseho koa tamin’ny famantarana maro taorianan’ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efapolo andro Izy, ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 1:2-3
Rehefa nitsangana velona indray Jesosy, dia tsy niseho teo anatrehan’ny manampahefana nanameloka Azy, na teo anatrehan’ny vahoaka nitaky ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Nefa niseho indimy tamin’ny olony Izy, ny andro voalohany tamin’ny herinandro nanaraka ny Paska jiosy, izany hoe ny alahady, „tamin’ny famantarana maro” nanaporofo ny nitsanganany velona indray.
— Teo anoloanan’ny fasany foana, niseho tamin’i Maria Magdalena Izy (Jaona 20:11-18) ary naniraka azy hilaza tamin’ny mpianatra ny nitsanganany velona indray.
— Nifanena tamin’ireo vehivavy avy tany amin’ny fasana Izy, ary naniraka azy ireo hilaza amin’ny rahalahiny ho any Galilia : „Any no hahitany Ahy” (Matio 28:8-10).
— Niseho tamin’i Petera Izy, saingy tsy misy fantatsika momba izany fihaonana manokana izany (Lioka 24:34).
— Tany an-dalana mankany Emaosy, nampahafantatra ny tenany tamina mpianatra roa lahy Izy (Lioka 24:13-31).
— Ny hariva, nitsangana teo afovoan’ny apostoly Izy ka niteny azy ireo hikasika Azy. Nisakafo teo anatrehany Izy, ary nampiseho tamin’izy ireo fa tanteraka avokoa izay rehetra nambaran’ny Soratra Masina momba Azy (Lioka 24:36-49).
Tamin’ny Andro Pentekosta, ny fahatongavan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpino dia nanaporofo fa nitsangana velona indray Jesosy, ary nomem-boninahitra eo anilan’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 2:32-33). Imbetsaka ny apostoly no nanamafy fa vavolombelon’ny nitsanganan’ny Tompo velona indray. Izany no fototry ny hafatra nentin’izy ireo tamin’ny fitoriana ny Filazantsara. Ny apostoly Paoly dia nitory hoe : „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9-10).