Alatsinainy 15 Mey 2023
Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo, eo amin’ny trano izay itoeranareo ; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. Eksodosy 12:13
Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7
Rehefa niditra tao Mossoul (Irak) ilay andia-miaramila mirehidrehitra, dia nanamarika ny tranon’ny kristiana tamin’ny litera „noun” (ny „n” ao amin’ny abidy). Notondroiny tamin’izany ireo „Nazarena” (mpianatr’i Jesosy avy any Nazareta), izay tiany haripaka rehefa avy eo. Samy nahafantatra ny olona rehetra tao amin’ireo trano ireo fa ny fanamelohana azy dia naseho mazava teny amin’ny rindrin’ny trano heverina fa hiaro azy. Fantany fa ho faty izy raha tsy mandositra.
Hafa tanteraka kosa ny fepetra nomena ny Israelita, voalazan’ny tantara ao amin’ny Baiboly tanisaina etsy ambony. Voaheloka hiharan-doza mahatsiravina ny mponina tao Egypta, fa izy ireo kosa dia nasaina nanamarika ny varavarany tamin’ny ra-na zanak’ondry, mba tsy haringana. Namono biby izy ireo, ary nanamarika ny varavarany tamin’ny ran’io biby io… ka avotra ! Tsy nilaina hanan-tsaina kokoa na ho masina kokoa, ho amin’izany ; ny finoana ihany no nilaina, finoana miasa : mino, dia miasa araka izany !
Lazain’ny Baiboly antsika ankehitriny, fa indray andro any dia tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra ny tsirairay. Ambarany koa fa Jesosy Kristy dia nanolotra ny tenany ho „Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29). Nofaizina nisolo antsika Izy, noho ireo faniratsirana rehetra nataontsika tamin’Andriamanitra. Tokony hino izany amin’ny fontsika manontolo isika, mba tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra.
Tany Mossoul, ny marika teny amin’ny trano dia nanameloka ho faty. Androany kosa, izay mino ny asa nataon’i Jesosy Kristy dia voavonjy mba tsy ho lavitra mandrakizay an’Andriamanitra.