Talata 16 Mey 2023
(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohaina ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no mahita ; ary izay mandondòna no hovohaina. Matio 7:7-8
Amin’ny alalan’ireo torolalana telo azo tsapain-tanana ireo, dia ampirisihin’i Jesosy isika hivavaka. Tsy mitovy avokoa ny vavaka rehetra : indraindray isika mangataka, indraindray mitady, ary indraindray ny vavaka ataontsika dia fomba iray handondònana eo amin’ny varavaran’ny lanitra.
— „Mangataha, dia homena ianareo” : Andriamanitra dia manome zavatra marobe ho an’ny olona rehetra ; ohatra, „Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy” (Matio 5:45). Nefa manome fanomezam-pahasoavana ihany koa Andriamanitra, ho valin’ny fangatahana. Na izany aza anefa, mangataka isika indraindray, saingy tsy mahazo valiny. Asain’Andriamanitra miandry isika…
— „Mitadiava, dia hahita ianareo” : Tsy manafoana ny filantsika tsy akory ny tsy fisiana valim-bavaka. Tokony hianina fotsiny ve ? Tsia, satria hoy ny Tompo amintsika hoe : „mitadiava” ; ary indraindray izany dia mitaky fikarohana maharitra ela. Tokony hotakarina ny sitrapon’Andriamanitra, izay tiany hampahafantarina antsika.
— „Dondòny, dia hovohaina ianareo” : Izay mandondòna eo am-baravarana dia tsy mianina amina varavarana mihidy : antenainy fa hamoha izany ilay olona ao ambadiky ny varavarana ao. Manome toky antsika Jesosy fa raha mikiry isika, dia hivoha ny varavarana, ho tafapetraka ny fifaneraserana.
Intelo ny apostoly Paoly no nangataka mba hanesorana fahasembanana iray manelingelina ny fanatanterahany ny asa fanompoany. Indroa izy tsy nahazo valiny ; nefa nony farany, dia nivoha ihany ny varavarana, ary hoy ny Tompo taminy : „Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:9).
Ndao àry hivavaka ka tsy reraka, mandra-pamalin’Andriamanitra antsika ; hamaly mantsy Izy, amin’itsy fomba itsy na amin’iry, ary am-pitiavana sy fahendrena mandrakariva.